• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fondation Axian : Olona manana fahasembanana maherin’ny 70 no misitraka tohana ho an’ny fety

20/12/2024 13:57 © Moov.Mg

Asa soa sy fizarana fanomezana ho an’ireo olona marefo tena mila tohana eto Antannarivo, no isan’ny hetsika tanterahin’ny Fondation Axian, ho fanamarihana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona 2024.

Tohana isam-bolana

Efa taona maromaro izay no nitondran’ny Fondation Axian fanampiana, ho an’ireo olona manana fahasembanana eto Antananarivo Renivohitra. Raha nanodidina ny 20 isa izy ireo tany am-boalohany, dia efa mihoatra ny 75 isa ankehitriny. Manolotra lelavola ho azy ireo ny Fondation Axian isam-bolana, hampiasainy amin’izay mety ho filàny manokana amin’ny andavanandro, araka ny fanazavan-dRazakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon’ny vondron’orinasa Axian. Ho an’ny androany 20 desambra 2024, dia niampy fizarana kojakoja ilaina amin’ny andavanandro sy tsakitsaky ody am-bavafo, ny fanomezana avy amin’ny Fondation Axian.

Iray amin’ireo olona manana fahasembanana mpisitraka izao tohana izao Randriamahazaka Tantely Edmond, 46 taona. Mihasarotra ny fiainana, hoy izy, fa miantraika kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny hamafin’izany, ka indraindray mahatsiaro ho tena miady mafy mihitsy. Izany indrindra no mahazava-dehibe ny fanampiana tahaka izao, araka ny nambarany. Efa nandritra ny 4 taona moa izao no nisitraka fanampiana avy amin’ny Fondation Axian ity raim-pianakaviana ity.

Trano fialofana

Raha misy tena faniriany, tsy ho azy ihany fa ho an’ireo olon-kafa manana fahasembanana toa azy koa, dia ny hananan’izy ireo trano fonenana. Maro amin’ireo olona manana fahasembanana mantsy no mpanofa trano, araka ny fitantaran-dRandriamahazaka Tantely Edmond, saingy matetika no tsy arak’izy ireo ny fandoavana izany hofan-trano izany.

Momba izay toeram-pialofana izay indrindra dia nanamarika Razakamanantsoa Jessica fa manana ny Akany Iarivo Mivoy, izay iarahany miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Fondation Axian, andraisana ireo tsy manan-kialofana manerana an’Antananarivo. Mihoatra ny 300 isa izy ireo no mialoka ao amin’izany ivon-toerana izany ankehitriny.

Famaranana ny tohana ho an’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ity notontosaina androany teny Andraharo ity, fa nandritra ny volana desambra dia nitety ireo ivon-toerana fandraisana olona marefo, fitaizana zaza kamboty, sy ireo akany tohanany ny Fondation Axian.

Lire la suite

Articles Similaires