• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mndpt
Image
Vaovao

Sehatry ny asa : Manana ho avy tsara ny tanora malagasy misehatra amin’ny nomerika sy ny fifandraisan-davitra

19/08/2024 16:33 © Moov

Nandray anjara tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT). Nandritra izany no nanambaran’ny Minisitra fa manam-pahaizana ny tanora malagasy misehatra amin’ireo tontolo ireo. Hanao vain-dohan-draharaha ny hanomezana asa ireo tanora ireo ny Fitondram-panjakana raha ny fampanantenana.

Mahita asa avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra

« Sehatra lehibe manomboka mivoatra eto amintsika ny nomerika sy ny manodidina izany. Manam-pahaizana ihany koa ny tanora malagasy ka ireo izay mivoaka amin’io sehatra io dia mahita asa avokoa », hoy ny Minisitra Tahiana Razafindramalo. Ankoatra ireo asa maro eto an-toerana dia efa maro ihany koa ireo tanora malagasy no miasa any ivelany eo amin’ny tontolon’ny nomerika. Tafiditra ao anatin’izany ny « logiciel », « réseau », « sécurité », fikirakirana finday sy fitaovana samihafa. Maro ireo orinasa no mila ireny tolotra ireny toy ny banky, ny hôtely, ny orinasam-pifandraisana…Tsy mitsanga-menatra rahateo isika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina fotsiny ny fahazoana ny laharana faharoa nandritra ny fifaninanana robotika farany teo. Teo ihany koa ny nahazoana laharana voalohany tamin’ny hackathon izay nokarakarain’ny Passerelles Numériques. Amin’izao fotoana izao rahateo dia efa maro ireo toeram-pampiofanana matihanina amin’io sehatra io.

Mila ialana ny tahotra

Etsy andanin’izany rehetra izany dia mbola maro hatrany ny tanora no tsy mahita asa noho ny antony samihafa. Amin’ny ankapobeny dia ny tahotra sy ny henatra no vato misakana ny fandrosoan’ny tanora. « Manam-pahaizana ny tanora malagasy saingy saro-tahotra ka tsy mahasahy mitady asa. Ny asa ihany koa anefa azo lazaina ho misy ihany », hoy ny fanazavan’ity mpandinika fiaraha-monina iray. Araka izany dia io tahotra io indrindra no mila hialan’ny tanora raha te hivoatra amin’ny fiainany izy. Tsara moa ny manamarika fa efa maro ihany koa ny fampiofanana momba io fikafika fitadiavana asa io. Tanjona amin’izany ny hanampiana ny 70% ny malagasy izay tanora manodidina ny 25 taona eo ho eo avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires