• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Ve Ianao
Image
Vaovao

Toetr’andro : Hijanona hangatsiaka ny andro ao anatin’ny valo amby efapolo (48h) ora manaraka

19/08/2024 15:20 © Moov

Tsy hisy fiovana ny toetr’andro hatramin’ny alarobia ho avy izao. Hangatsiaka hatrany izany raha ny vinavinan’ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro. Hidina 11 hatramin’ny 13°C ny mari-pana ao anatin’izay fotoana izay raha 18°C eo ho eo ny ambony indrindra.

Raha ny vinavinan’ny Météo Madagasikara hatrany dia mbola hitoetra ihany koa ny erikerika malefaka eto afovoan-tany. « Ny varatr’aza hatrany no mamaritra ny toetr’androntsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka izany indrindra no miteraka io fidinan’ny mari-pana io », hoy i Lovandrainy Rakotoarisoa, teknisianina mpamantatra ny toetr’andro ao amin’ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro. Nampiomana kosa anefa ity farany fa mety hiverina indray ny hafanana ny alakamisy 22 sy zoma 23 aogositra izao. Vinavinaina ho maina ny andro amin’ireo andro roa hafa ireo ary hafana tanteraka izany. « Heverina hiverina hangatsiaka indray anefa izany andro izany ny faran’ny herinandro raha ny varatr’aza no hamaritra ny toetry ny andro amin’izay fotoana izay. Tokony samy mailo amin’izany avokoa ny tsirairay amin’io fiovaovan’ny toetr’andro io », hoy hatrany ity Tompon’andraikitra ity.

Tsy misy hatahorana ny rivo-doza

Etsy andanin’izany rehetra izany dia nanambara ny avy ao amin’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy misy hatahorana ny rivo-doza. Mbola mitoetra ao avaratra atsinanan’ny Nosy hatrany ilay tangoron-drahona amin’izao fotoana izao. « Efa mihena ny herijikany ka tsy misy atahorana ny mety hivadihany ho rivo-doza indray. Heverina hitondra rotsakorana amin’ny toerana hipetrahany kosa anefa izany ka tokony hiomana amin’izany ny any amin’iny ilany avaratra atsinanana iny. Mbola mila mitandrina ihany koa ireo mpampiasa ranomasina satria mety hahery be ny ranomasina », hoy hatrany ny fanazavana. Tsy misy ahiana ihany koa ny mety ho fiantraikan’izay mety ho andro ratsy izay mivantana amin’ny toetr’andro eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires