• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fampianarana : Nitombo roa ireo faritra tohanan’ny JICA amin’ny alalan’ny tetikasa TAFITA

19/08/2024 11:41 © Moov

Ankoatra ireo faritra miisa 11 izay niasana hatramin’ny taona 2016 dia niampy roa indray izany dia ny faritra Alaotra Mangoro sy Sava. Ireo faritra 13 ireo no tena ahitana taha ambany amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy mikajy eny amin’ny ambaratonga fototra. Nanolotra fampiofanana ho an’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena tamin’ireo DREN 13 ireo ny JICA ny herinandro lasa teo tamin’ny alalan’ity tetikasa TAFITA ity.

Tan-tsoroka ho an’ny sekoly ambaratonga fototra

Any amin’ny amabaratonga fototra no hanombohan’ny zaza ny fianarany ary any no hampahafantarana azy ireo ny fahalalany tena ho ilainy eo amin’ny fiainany. Anisan’izany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy. Nilaza ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa ireo no tena fototry ny fianarana. Araka izany dia ireo no hanomezana tan-tsoroka ireo DREN 13 ireo. Mifototra amin’ireo taranja roa ireo ny asan’ny JICA amin’izao fotoana izao. « Olana fototra saika itovizan’ny DREN ny tsy fitovian’ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny fomba fampianarana. Araka izany ny tetikasa "TAFITA/JICA" dia fametrahana tantsoroka eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany, manampy sy mampitombo ny fari-pahaizan’ireo mpianatra amin’ny taranja kajy sy vakiteny, izay atao ivelan’ny ora fianarana », hoy ny Tale Jeneralin’ny fampianarana ambaratonga fototra eo amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Eliane Ranosy. Ankoatra ireo faritra roa vaovao ireo dia efa miasa amin’ny faritra Analamanga, Amoron’i Mania, Atsinanana, Betsiboka, Bongolava, Diana, Matsiatra ambony, Ihorombe, Itasy, Melaky, ary Vakinankaratra ihany koa izy ireo.

Teknika efa vita andrana

Teknika avy any Japon no hampiharina eto Madagasikara amin’ity tetikasa ity. Manamafy ihany koa izany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy i Japon. Efa maro ihany koa ireo firenena nitondrana izany teknika izany izay nahitam-pahombiazana. « Teknika fampianarana efa natao andrana taty Afrika amin’ny firenena maro ity hampiharina ity. Tsara hatrany ny vokatra hatramin’izay ka izay indrindra no tanjona hitondrana azy eto Madagasikara », hoy ny Solontenan’ny JICA miasa sy monina eto Madagasikara. Fanatsarana sy ny fomba fampitana ilay fahalalana no nasiam-panovana ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires