• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Ady amin’ny zava-mahadomelina : Nahatrarana rongony hatramin’ny 700 kilao tany Nosy Be sy Vangaindrano

19/08/2024 09:56 © Moov

Nahatrarana rongony mahery vaika indray tany Nosy be. Rongony voajanahary kosa ny tany Vangaindrano. Nandraisana fepetra izany ary efa maro ihany koa ireo ireo tratra voarohirohy tao anatin’izany.

57 kilao tratra tao Nosy Be

Rongony mahery vaika na ireny efa antsoina hoe « cocaïne » ireny no tratra tao amina trano fandraisam-bahiny iray tao Nosy Be. Efa voazarazara tamin’ny harona plastika efa-joro avy izany. Amin’izao fotoana izao, raha ny fanampim-baovao dia vehivavy roa no tratra tamin’izany. Hatao fanaraha-maso ara-pitsarana ny iray raha nampidirina am-ponja vonjimaika kosa ny iray hafa. Efa nodorana kosa ireo zava-mahadomelina izay tratra. Nanamarika ny Préfet ny Nosy Be fa araka ny didim-panjakana dia miady amin’ny fampidirana antsokosoko ireny zava-maha-domelina ireny ihany koa izy ireo. « Anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay izao ary tsy maintsy karohina ireo mpiara-miombon’antoka amin’ity raharaha ity », hoy hatrany ny Préfet an’ny Nosy Be. Marihina ihany koa fa hatramin’izao dia mbola voararan’ny lalàna hatrany ny fampidirana itony karazana zava-mahadomelina itony.

Rongony voajanahary tao Vangaindrano

Tratra tao Vangaindrano ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny rongony voajanahary izay nalaina tao amin’ny alan’Andriry ao Betroka. Saika ho ampiakarina tao Vangaindrano ka ho aparitaka manerana ny Nosy izy ireo. Lehilahy miisa 25 no nitondra ireo rongony 50 gony ka milanja 650 kilao tratra ireo. Vitsy anefa ireo Zandary sy fokonolona nanara-dia azy ireo ka ny 6 tamin’ireo olona nitondra ilay rongony ihany no tratra. Mbola andalam-pikarohana kosa ireo ambiny. « Raha ho an’ny Vangaindrano manokana dia efa fahasivy izao no nahatratrarana olona mitondra ireto karazana rongony ireto tamin’ity taona 2024 ity. Efa miisa 20 no efa tratra. Tsy handefitra mihitsy izahay fa izay rehetra tratra dia tsy maintsy hampidiriana am-ponja avokoa », hoy ny Tonia mpampanao lalàna amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Vangaindrano. Nomena baiko ihany koa araka izany ny mpiandraikitra ny fonja fa tsy mahazo mivoaka mihitsy ireny olona ireny.

Lire la suite

Articles Similaires