• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsa
Image
Vaovao

Sokake tratra naondrana tao Kaomoro : Velona ny 142 isa, maty ny 90 isa

19/08/2024 06:18 © Moov.Mg

Ny 16 aogositra lasa teo no tonga tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga ireo sokatra naondrana an-tsokosoko, ka tratra tao Kaomoro. Nisy tamin’ireo biby arovana no maty.

Karakaraina sy tsaboina

Tamin’ireo sokatra 400 isa tratra tao Kaomoro dia niisa 232 ireo sokatra amin’ilay karazany « Astrochelys radiata », na sokake, izay isan’ny tena ahiana ho lany tamingana sy arovana. Ny 142 tamin’izy ireo no velona fa maty kosa ny 90. Ny sambo « Panayotis MJ 16-031 » no nitatitra ireo sokatra ireo, izay niantsona tao Mahajanga ny 16 aogositra 2024. Ny Tale Jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana Lovainjafy no nandray ny fiverenan’ireo sokatra tany Mahanjanga, natrehin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Boeny, toy ny Fadin-Tseranana, ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF), ny Polisy sy ny borigadin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nalefa ao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana ao Boeny Betsiboka ireo sokatra, mba hanomezana azy ireo ny fikarakarana voalohany ilainy. Ny "Turtle Survival Alliance" (TSA) kosa no handray an-tanana ny fikarakarakana sy ny fitsaboana azy ireo eto Antananarivo. Halefa any amin’ny Réserve de Berenty, any Atsimo, ireo sokatra ireo aorian’ny fanaraha-maso ara-pahasalamana tsy maintsy atao aminy.

Mandalo fifampiraharahana

Fanambin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ny fampodiana ireo harena voajanahary naondrana tsy ara-dalàna any ivelan’i Madagasikara, araka ny navoakan’ity ministera ity. Mitohy, araka izany, ny asa sy ezaka ho fampodiana ireo harena voajanahary rehetra naondrana an-tsokosoko any ivelany, na biby, na zavamaniry, toy ny any Thaïlande sy ny any Tanzania. Mba ho famerenana ireo harem-pirenena ireo anefa dia mandalo dingana maro ny fifampiraharahana amin’ny firenen-kafa sy ireo mpisehatra isan-karazany, toy ny tomponandraikitra amin’ny firenena misy ireo biby na zava-maniry malagasy naondrana. Misy ihany koa ny lafiny ara-taratasy sy ara-bola ary ara-piomanana, toy ny fanaraha-maso ny fahasalamana, ny fanomanana ny fitaterana sy fikarakarana ireo fahazoan-dalana samihafa, araka ny takian’ny lalàna iraisam-pirenena. Hamafisina ihany koa ny fepetra anatiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ho fisorohana ny trangana fitrandrahana tsy ara-dalàna, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny MEDD.

Lire la suite

Articles Similaires