• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Who/Katson Maliro
Image
Vaovao

Aretina mpox : Mihamiparitaka ivelan’i Afrika, miomana i Madagasikara

19/08/2024 06:17 © Moov.Mg

Efa manomboka tafavoaka ny faritr’i Afrika ny aretina mpox, izay fantatra teo aloha tamin’ny anarana hoe : « variole du singe » (nendran-gidro). Efa mandray ny fepetra mifanaraka amin’izany ny eto Madagasikara, araka ny fanazavana nentin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Mety hahazo an’i Madagasikara

Andro vitsy taorian’ny nanambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) ny maha-hamehana ara-pahasalamana iraisam-pirenena ny mpox, dia nahitana endrik’ity aretina ity tany Soeda, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Manoloana izany dia vao mainka nanindry mafy ny tokony hiarahan’ny firenena rehetra miasa ny tale jeneralin’ny OMS, Tedros Adhanom Ghebreyesus, mba hamehezana ny fiparitahan’ity aretina ity. Mbola tsy ahitana tranga eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana nataon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nefa kosa dia firenena mety hidiran’ny mpox eto amintsika, noho i Madagasikara manana fifaneraserana amin’ireo firenena maro isan-karazany.

Efa vonona ny fepetra

Efa nandray fepetra mba ho fanakanana ny fidiran’ity aretina ity eto Madagasikara ny Fanjakana, araka ny fanazavan’ny Dr Lethicia Lydia Yasmine, sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ny fivoriana notanterahin’ireo talem-paritry ny fahasalamana rehetra, herinandro mahery lasa izay, araka ny fanazavany, ka tamin’izany no efa nampahafantarana sy nanamafisana ny fanaraha-maso ireo aretina rehetra tokony hotsirihina. Tafiditra ao anatin’izany ny mpox. Efa nampahafantarina ireo mpiasan’ny fahasalamana eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) ihany koa, hoy hatrany izy, ny fomba hamantarana ny trangan’aretina sy ny tokony atao, raha misy ny tranga mampiahiahy. Efa hatramin’ny taona 2022 moa, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fahasalamana, no efa nipetraka ny paikady fisorohana sy fanakanana ny mety hidiran’ny mpox eto Madagasikara, ka ny fampiharana izany sisa no imasoana. Tafiditra ao anatin’izany ny fepetra fanaraha-maso ny fidirana eny amin’ny seranan-mpiaramanidina sy ny seranan-tsambo, miaraka amin’ny fanadiovana ifotony (désinfection) ny entana.

Lire la suite

Articles Similaires