• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 12 hatramin'ny 18 aogositra 2024

19/08/2024 00:04 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 12 hatramin'ny alahady 18 aogositra.

Ankorondrano Andrefana # Haintrano nirehetana trano 6

Trano hazo mitafo fanitso miisa 6 no nirehitra tao amin'ny Fokontany Ankorondrano Andrefana, ny zoma alina (16 aogositra). Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao amin'ny Toby Tsaralalàna rehefa naharay antso, nampian'ireo avy ao amin'ny Toby etsy Andravoahangy. Tamin'ireo trano nahitana fahamaizana dia toeram-piasana ny 04 raha tranon'olon-tsotra ny iray ary toerana fanatobiana fako plastika sy birao ny 2 ambiny. Marihana fa tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra nandritra ity voina ity. Fiara roa nanakaiky ny toerana nitrangan'ny fahamaizana kosa no voakasiky ny afo saingy voafehy haingana izany.
Marihana hatrany fa maimaimpoana tanteraka ary tsy iatohana na solika aza ny asa tanterahan'ny Vondrona mpamonjy voina eto amin'ny Kaomina Antananarivo renivohitra. Misy sarany kosa izany ho an'ireo Kaomina manodidina.

Fianarantsoa # Nivoaka ny voka-panadinana Baccalauréat

Tontosa ny alarobia 14 aogositra lasa teo ny "délibération"-n'ny fanadinam-panjakana Bakalorea tao Fianarantsoa. Ny alin'ny 15 aogositra no nivoaka ny voka-panadinana ofisialy. 55,15% ny taham-pahafahana, ka 54,99% ny an'ny fampianarana ankapobeny, ary 59,65% ny an'ny fampianarana teknika. Ny "série C" no nahitana taham-pahafahana tsara indrindra, izay nahatratra 75,51%. Tsikaritra fa nihavitsy ny mpiadina sokajy siantifika satria 294 tamin'ny mpiadina 34 631 no "série C".
Mivoaka miandalana ny valim-panadinana manerana ny Nosy, ka isaky ny renivohi-paritany izany.Ho an'i Mahajanga, androany alatsinainy 19 aogositra no hanatanterahana ny "Délibération", ary ny zoma 23 aogositra ho an’Antananarivo, raha tsy misy ny fiovana.

Matsiatra Ambony # Fampiroboroboana ny fiompiana trondro

Natao ny marainan’ny zoma 16 Aogositra lasa teo ny fandrotsahana zanatrondro tao amin'ny Fokontany Mitsinjorano, Kaominina Ambanivohitra Matsiatra, Distrikan' Ikalamavony. Miisa 12 000 ny zanatrondro narotsaka avy amin'ny fikambanan'ny mpanjono izay natrehin'ireo manampahefana any an-toerana. Ikalamavony izay malaza amin'ny asa fanjonoana, dia nanoloran'ny Ministeran’ny MPEB fahazoan-dalana hitrandraka ny fikambanan'ny mpanjono « Matsiatra Tsinjoezaka ».
Nisy fampihofanana fiompiana trondro an-dobo,an-tanimbary sy sakafo trondro tao amin'ny CEG centre, ny tolakandro, ka mpihofana 46 no tonga nanatrika. Mihamaro hatrany moa ny fidinana ifotony sy ny fampiofanana amin’ny fiompiana trondro manerana ny Nosy. Tanjona ny mba hahanan’ny maro asa mahavelona mifototra amin’ny jono.

Mahajanga # Fametrahana ny samboadin’ireo depiote

Tanteraka ny Sabotsy 17 aogositra lasa teo ny lanonam-panjakana fametrahana ny samboadin'ireo solombavambahoaka voafidy tao amin'ny faritanin'i Mahajanga avy ao amin'ny faritra 4 dia ny faritra Sofia, Boeny, Melaky ary Betsiboka.Nitarika ny lanonana ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Tokely Justin, natrehan'ireo manampahefana isan-tsokajiny. Nandritra izany no nanambarany fa masina ary manana ny lanjany ny samboady saloran'izy ireo, midika izany fa adidy masina sy andraikitra makadiry eto am firenena ny asan'izy ireo
Hiezaka handrindra ny fiaraha-miasan'ny solombavambahoaka rehetra ao amin'ny faritanin'i Mahajanga kosa ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny faritanin'i Mahajanga, Soafilira Princia araka ny nambarany. Tanjona hoy izy ny fampandrosoana isaky ny fokontany, isaky ny kaominina ary isaky ny distrika.

Mahajanga # Fanoloran’ny solombavambahoaka fanampiana

Nanolo-tanana ho an’ny sahirana sy ny mpianatra ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Mahajanga, Ramatoa Soafilira Princia. Vola 04 tapitrisa Ariary no natolotr’io solombavambahoaka io hoan’ny mpianatry ny Oniversite miparitaka amin’ny faritra 04 mandrafitra ny faritanin'i Mahajanga. Tsy izany ihany, fa nahazo ny anjarany ihany koa ireo sahirana ara-pivelomana. Mponina heverina fa tena sahirana isam-pokontany miisa 1000 mahery no nisitraka fanampiana.
Nangataka ny hanorenana ny tranom-pianarana vaovao ho mariky ny tanjaky ny firaisankinan’ireo solombavambahoaka mitambatra ato amin’ny faritanin'i Mahajanga ny filohan’ny Collectifs des Étudiants à l'Université de Mahajanga. Tsy adino ihany koa ny fangatahana ny fampakarana vatsim-pianarana hoan’ny mpianatry ny Ambaratonga Ambony.

Ady amin'ny kolikoly# Fianianan'ny Talen'ny Bianco

Notanterahina teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny fianiananan'ny tale jeneralin'ny Bianco vaovao, dia Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor. Ny alarobia 14 aogositra no nanaovana izany. Nanotrona ny lanonana ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo olo-manan-kaja maro eto amin'ny firenena. Nohamafisin'ny Tale vaovao ny amin'ny fametrahana politika anatiny iadiana amin'ny kolikoly isaky ny Ministera. Tamin'ny fiafaran'ny lanonana no nanambaran'ny filohampirenena Andry Rajoelina fa ho tanterahina amin'ity herinandro ity ny fanendrena ireo mpikamban'ny Governemanta vaovao, tarihan'ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nisy moa ny "évaluation" natao tamin'ireo Minisitra tsirairay, ny tolakandron'io andro io ihany, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Raharaha Romy Voos # Tsy hanokatra fanadihadihana ny Bianco

Tsy mikasa hanokatra fanadihadihana mikasika ny raharaha kolikoly avo lenta nanamelohana an'i Romy Voos Andrianarisoa ny Bianco, araka ny nambaran'ny tale vaovao, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Tsy nisy rahateo ny fitoriana voaray mikasika io talen'ny kabinetra eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha io.
Raha tsiahivina, nangataka ny hiala ao Londres i Romy Voos Andrianarisoa, na dia mbola tsy tapitra aza ny fe-potoan'ny saziny. Ireo voafonja vahiny mantsy dia mananjo hangataka "explusion" rehefa nahavita sazy herintaona, ka tsy vono olona na fanolanana no nanamelohana azy. Tsy foana akory ny fanasaziana, ary tsy mahazo miverina any amin'ireo firenena faritr'i Royaume-Uni intsony ny nahazo fahafahana.

Fahasalamana # Hanolotra fandidiana maimaimpoana ny CHU Andohatapenaka

Mankalaza ny faha-10 taonany ny CHU Andohatapenaka. Noho izany indrindra dia hisy hetsika fandidiana maimaimpoana hotanterahina miaraka amin'ireo manampahaizana avy any Turquie amin'ny volana septambra. Efa nifarana ny zoma 16 aogositra teo ny fizahana ireo olona te hisitraka izany. Hivoaka avy eo ny lisitr'ireo nahafeno fepetra. Tsara ny mampahafantatra fa ny fandidiana ny aretina mikasika ny ORL sy ny ativava no hatao amin'izany. Tsy handoha vola mihitsy ireo voasivana satria raisin'ny hopitaly manontolo na ny saram-pandidiana na ny fanafody.

Fifidianana ny filohan'ny BAD # Tafiditra anatin'ny Komity Mpitsara i Madagasikara

Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, no Komity Mpitsara misolotena an'i Madagasikara amin'ny fifidianana ny filohan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana (BAD). Amin'ny 29 may 2025 izany ny fifidianana manaraka, mandritra ny "Assemblée annuelle du Conseil des gouverneurs de la Banque", any Abidjan, Côte d'Ivoire. Hatramin'ny 31 janoary 2025 moa ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo te hilatsaka ho fidiana. Ny 21 febroary no hivoaka ny lisitra ofisialy mirakitra ireo mpifaninana handray anjara amin'ny fifidianana. Anisan'ny tombony lehibe ho an'i Madagasikara ny fandraisana anjara amina raharaha lehibe any ivelany toy izany.

Zimbabwe # Fihaonana an-tampon'ireo Mpitondra Fanjakana eo anivon’ny SADC

Nisokatra amin'ny fomba ofisialy ny 17 aogositra tany Zimbabwe ny andiany faha-44 amin'ny Fihaonana an-tampon'ireo Mpitondra Fanjakana eo anivon’ny SADC. Mandray anjara amin'izany fihaonana izany avokoa ireo firenena miisa 16 eo anivon'izany vondrona izany. Ny fikarohana paikady mahomby ho fanavaozana ny lafiny indostria amin'ny alalan'ny fampiasana ny teknolojia vaovao no tanjona kendrena amin'ity fihaonana ity.
I Madagasikara no hitantana ny SADC ho an'ny fe-potoam-piasana 2025-2026 ary ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA no ho filohan’ny SADC ho an’ny taona 2025. Voalohany izao ny firenena malagasy no hitantana ity vondrona ity hatramin’ny naha mpikambana azy tamin'ny taona 2005. Nambaran'ny Filohan’ny Repoblika tamin'ny fandraisam-pitenenany nandritra ny lananom-pamaranana ny fahavononany hanao ny ezaka rehetra hitazonana ny firaisan-kina sy hanohizana ny fametrahana ny filaminana eto amin’ny faritry ny SADC.

Indostria # Miasa eny an-kianja ireo inspektera indostrialy

Ny fanarahamaso ireo mpandraharaha no tena iantsorohan'ny inspektera indostrialy. Tsy izany ihany nefa, fa eo ihany koa ny fanoroana hevitra sy ny fanohanana ny mpandraharaha amin'ny fananganana sy fampihodinana ny orinasa.
Nidina any Farafangana ireo inspektera ny Alarobia 14 Aogositra lasa teo, namaha ny olan’ny mpitantana ny orinasa ODOF manodina tantely naterin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tany an-toerana. Milina manodina tantely 100kg isan'ora ary afaka mamatsy ny tsena anatiny sy afaka manondrana any ivelany ity any Farafangana ity.
Nitohy tamin’ny fihaonana tamin'ny Kaoperativa misitraka ny fitantanana ny milina fanodinana kafe sy ireo mpamboly kafe ao amin'ny Distrikan’i Vohipeno, Kaominina Andemaka ny dian’ireo Inspektera indostrialy ireo. Ahitana mpikambana 252 ny Kaoperativa V.KOMAMI, izay mitantana ny orinasa ODOF any Vohipeno.

Fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara # Fakan-kevitra

Natomboka ny fakan-kevitra handrafetana ny paikady nasionaly momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara. Tanjona apetraka ny hampihenana ny fotoana sy ny vola lany amin’ny sehatry ny varotra ka hampitombo ny tombontsoan’ny mpandraharaha amin’ny asa ataony. Tsy adino ihany koa ny famaritana ireo fomba fanao mitaky fanatsarana hanamorana ny fifanakalozana eto amin’ny firenena.
Noraisana ny hevitry ny mpisehatra amin’ny varotra na ny avy amin’ny sehatra tsy miankina toy ny vondron’ny mpandraharaha nahazo alalana mamaky tanàna ka tsy mandoa fadintseranana eto Madagasikara (Groupement des transitaires na GTM) sy ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) na ny rafi-panjakana isan-tsokajiny toy ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola ivelany (FINEX

Lire la suite

Articles Similaires