• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Akora simika mampidi-doza : Mbola maro no ampiasain’ny Malagasy amin’ny andavanandro

16/08/2024 19:56 © Moov.Mg

Singa mpandoto mbola tsy voafehy eto Madagasikara ny akora simika mampidi-doza. Tafiditra ao anatin’ny dingana hanatsarana ny fitantanana sy ny fampiasana azy ny fametrahana ny rafitra fampahalalam-baovao ho an’ny fizarana tatitra mazava momba ny akora simika, izay nampahafantarina androany.

Nankatoa fifanarahana iraisam-pirenena

Ny fanafody famonoana bibikely, ny volavelona (mercure) ary ny firaka (plomb) no isan’ny ampiasaina matetika indrindra eto Madagasikara, amin’ny andavanandro, nefa mety hitarika fahavoazana eo amin’ny tontolo iainana sy eo amin’ny fahasalaman’olombelona. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Dr Lethicia Lydia Yasmine, dia mety miteraka fanapoizinana, mitarika aretina henjana toy ny homamiadana, ary manafaingana ny fahafatesan'ireo tratran’izany homamiadana izany, ny akora simika. Noho izany indrindra, na dia nitondra fivoarana teo amin’ny sehatra maro aza ny fampiasana azy, dia ilaina ny mifehy azy. Efa nanasonia sy nankatoa fifanarahana iraisam-pirenena maro miompana amin’ny ady amin’ny fandotoana sy ny akora simika i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Isan’izany ny « Convention de Bâle », ny « Convention de Rotterdam » ary ny « Convention de Minamata ». Samy mifehy ireo tandindon-doza aterak’ireo akora simika daholo ireo fifanarahana ireo. Dingana iray hahafahana tena mampihatra azy ireo kosa ny fametrahana ity rafitra fampahalalam-baovao miompana amin’ny akora simika ity.

Angom-baovao ara-potoana

Miendrika tranonkala azo tsidihina ao amin’ny rohy https://www.e-voary.mg/brsm-reporting/ ity ftaovana ity, izay ahafahana mijery antontan-kevitra azo antoka sy manara-penitra. Fomba hanaraha-maso ny fomba fampiasan’i Madagasikara ny akora simika ireo angon-kevitra voarakitra ao, izay nokendrena mba ho ampy sy ara-potoana (en temps réel). Ny fisiany, araka izany, dia manampy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tena mifanaraka amin’ny zava-misy marina. Manamora ny famolavolana ireo tatitra nasiônaly izay takian’ireo fifanarahana iraisam-irenena nankatoavin’i Madagasikara ihany koa ity tranonkala ity. Misokatra ho an’ny mpisehatra rehetra moa ny fantsona fizaram-baovao ho an’ny fitantanana ny akora simika eto Madagasikara, ka tafiditra ao anatin’izany ny ministera isan-tsokajiny, ireo manam-pahaizana mpikaroka, ireo mpandraharaha, ireo fikambanana maro samy hafa… Amin’izao fiantombohany izao dia ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka aloha no miara-misalahy ao anatiny. Tafiditra ao anatin’ny praograma manokan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Tontolo Iainana ity tetikasa ity, izay nampahafantarina androany 16 aogositra 2024 teny Ivandry.

Lire la suite

Articles Similaires