• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Programme Defis.Jpg
Image
Vaovao

FIER MADA 2024: Nahomby ny hetsika tamin'ity andiany faha-25 ity

12/08/2024 08:42 © Moov

Notanterahina teny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny hetsika FIER Mada 2024 ny herinandro lasa teo. Nahomby ny hetsika hoy ireo mpikarakara. Naharitra dimy andro izany ary tomefy olona hatrany ireo trano heva maro isan-karazany, nandritra ireo andro ireo. Ny faran'ny herinandro teo kosa no nahitana izany betsaka indrindra izay nahatratra aman'arivony ireo mpitsidika.

Vokatra natoraly

Anisan'ny nampiavaka ny hetsika tamin'ity taona ity ny fisian'ireo vokatra natoraly sy mahasalama maro isan-karazany (biologique). Nanamarika ihany koa moa ireo Minisitera izay niahy ny hetsika fa mila miroso tsikelikely amin'ny famokarana vokatra biolojika ihany koa isika raha te hifaninana amin’ny any ivelany. Amin'izao fotoana izao dia efa maro ireo fivondronana tantsaha miezaka manao izany fambolena izany. Ao anatin'izany ny famokarana voankazo, legioma sy ireo vokatry ny tany samihafa. Raha ny fanazavan'ireo mpampiranty rahateo dia zezika biolojika avokoa no ampiasaina amin'ny karazana voly sasany saingy mila fikarakarana maharitra mba hahazoana vokatra tsara. Toy izany ihany koa ny fiompiana isan-karazany. " Rehefa miompy akoho amin'izao izahay efa miezaka tsy mampiasa vokatra simika intsony kanefa lehibe ihany izy ireo. Tsy maintsy ilaina fikarakarana betsaka kosa anefa izany ka izay no anisan’ny handraisana anjara mba hikarohana famatsiam-bola", hoy ny avy ao amin'ny fikambanana mpiompy iray avy any Arivonimamo. Marihina moa fa hetsika lehibe natao hihaonan'ny tantsaha amin'ireo mpankafy ny fambolena sy hanehoany ny vokatr'izy ireo ny FIER Mada. Tantsaha maro avy amin'ny lafy valon'ny Nosy no nandray anjara tao izay nahitana trano heva miisa hatramin’ny 450.

Teknolojia vaovao

Hita tao amin'io hetsika io avokoa araka izany ny momba ny fiompiana sy ny fambolena rehetra. Nahasarika ny mpitsidika ihany koa ny teknolojia vaovao. Ankoatra ny maha teknolojia vaovao azy ireny izay mety hanampy ireo tantsaha dia maro tamin'izy ireny ihany koa ny namboarina manokana hiaro ny tontolo iainana. Ohatra amin'izany ny fatana "gaz" izay tsy mampiasa afatsy entona avy amin'ny faikan-tsaribao na akofa. Vahaolana iray hahafahana mampihena ny fanapahana ala sy ny fihenan'ny setroka mandoto ny tontolo iainana. Nisongadina ihany koa ireo fitaovana moderina hahafahana miompy sy mamboly toy ny "couveuse" ho an'ny akoho gasy. Azo lazaina ho samy variana sy nahazo tombony avokoa ireo mpitsidika nandritra iny andiany faha-25 iny.

Lire la suite

Articles Similaires