• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Tandavanala Fandriana Vondrozo : Sady faritra arovana no ala fady

12/08/2024 06:48 © Moov.Mg

Efa nanomboka tamin’ny volana jona 2024 no nahitana fitrandrahana tsy ara-dalàna tao amin’ny faritra arovana ao Ivohibe, ao anatin'ny faritra arovana tandavanala Fandriana Vondrozo. Namolavola paikady ho entina mandroaka tanteraka ireo mpitrandraka ireo ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny faran’ny herinandro teo.

Namolavola paikady

Araka ny fantatra dia maherin’ny 3.000 isa ireo tera-tany malagasy sy vahiny mitrandraka vatomena (rubis) ao anatin'ny Faritra arovana Tandavan'ala Fandriana Vondrozo, Fokontany Maropaiky, Kaominina Ivohibe. Raha tsiahivina dia nankatoavina nandritra ny Filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina ny alarobia 7 aogositra 2024 teo, ny fandroahana tanteraka ireo mpitrandraka tsy ara-dalana ireo. Manoloana izany indrindra dia nisy ny fivoriana namolavolana ny paikady entina manatanteraka izany fandroahana izany, notarihin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina sy ireo tomponandraikitry ny ministera hafa voakasika ary ny mpitandro ny filaminana. Ny Faritra arovana Tandavan'ala Fandriana Vondrozo moa dia vondron-tendrombohitra sy ala kely, mahakasika kaominina ambanivohitra 66 isa ao amin'ny Distrika maro toa an'Ifanadiana, Ikongo, Manakara, Vondrozo, Ihorombe, Ambohimahasoa, Fandriana, ary Ambositra.

Fandikan-dalàna

Taorian’ny fivoriana dia hanatanteraka fidinana ifotony any amin'ny Faritra Ihorombe ireo tomponandraiki-panjakana mba hanatanteraka ny fanesorana ireo mpitrandraka an-tsokosoko vato sarobidy ao anatin'ny Faritra arovana ireo. Ny Goverinoran’ny Faritra Ihorombe, Rakotondrasoa Annie Franckline ihany koa, dia efa namoaka fanambarana, taorian’ny nivoahan’ny filàn-kevitry ny minisitra. Voalazany tamin’izany fa sady faritra arovana no ala fady ity toerana antsoina hoe Sandrajà ao amin’ny Fokontany Maromagniry Kaominina Ivongo Distrika Ivohibe ity, ka sady tsy azo idirana no tsy azo anatanterahana fitrandrahana. « Tsapako fa nanantena ny hamaha ny olana amin’ny fahasahiranana isika matoa namonjy io toerana fitrandrahana io na tsy nahazo alalana aza », hoy ny fanambarana, saingy na izany aza, nanentana ireo mpitrandraka mba hiala moramora ramatoa Goverinora ary hanaiky ny lamina hapetraka. Nilaza kosa ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana fa tsy ekena ny endrika fandikan-dalàna rehetra atao ao anaty Faritra arovana, izay miteraka fahapotehan’ny karazanjamanananaina, ka tsy hilefitra ny Fitondram-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires