• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Fihinanana soka-dranomasina tany Antalaha, namoizana ain’olona 5

06/08/2024 12:23 © Moov.Mg

Tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo hazan-dranomasina tsy azo hanina, fa mety mahatonga fanapoizinana ara-tsakafo (ICAM), ny fano, na soka-dranomasina. Namoizana aina, ny fihinanana azy ity tany Antalaha, Faritra SAVA.

Tsy azo hanina mandavan-taona

Olona miisa 5 no namoy ny ainy, vokatry ny fihinanana fano tany Antalaha, ka ankizy ny 4 ary vehivavy 24 taona ny iray, araka ny fampitam-baovao. Nisy olona manodidina ny 30 ihany koa no nandalo fizaham-pahasalamana, tao amin’ny hôpitaliben’Antalaha, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tao Ambinagny atsimo, Fokontany Ambatomitraka, Distrikan’Antalaha, no nisehoan’ity tranga ity. Ny sabotsy 3 aogositra lasa teo, araka ny fantatra, no nividianan’izy ireo sy nihinanany izany soka-dranomasina izany. Tsara anefa ny manamarika fa tsy azo atao ny mihaza na mihinana fano, na soka-dranomasina, mandavan-taona. Tafiditra ao anatin’ny biby arovana mantsy izy io, araka ny andininy faha-18 ao amin’ny fehezan-dalana momba ny jono sy ny fiompiana anaty rano, laharana 2015-053, tamin'ny 3 febroary 2016.

Ahiana ho lany tamingana

Antony roa lehibe no tsy tokony hihinanana ny fano, na soka-dranomasina. Eo aloha ny maha-biby arovana azy, satria ahiana ho lany tamingana, noho ny fanondranana tsy ara-dalàna. Fa antony iray ihany koa ny fomba fiainan’ny sokatra. Mivelona amin'ny karazana lomotra misy poizina mantsy izy ireny. Eo anelanelan'ny volana novambra sy volana martsa dia mitombo ny poizina amin'ny lomotra, ka tsy levon'ny fano izany, saingy tsy mahafaty azy. Ireo olona izay mihinana ny henany no voapoizina. Araka izany, mety hitarika fanapoizinana ara-tsakafo ho an’ny olombelona ny fihinanana ny nofon’ny soka-dranomasina ary mety mankarary, na mitarika fahafatesana, toy izao nitranga tany Antalaha izao.

Lire la suite

Articles Similaires