• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Jpg
Image
Vaovao

Carnaval des baleines : Hetsika faharoa natao hampiroboroboana ny fizahantany sy ny fiarovana ny trozona

29/07/2024 14:46 © Moov

Hotanterahina any Sainte Marie ny 10 hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao indray ny Carnaval des baleines. Hiarahana amin’ny Ministeran’ny fizahantany sy ny asa tanana ary ny orinasa BNI Madagasikara sy ny Telma Madagasikara ity hetsika ity. Notanterahina androany teny Andraharo ny fampahafantarana ny hetsika rehetra.

Mifampitohy amin’ireo hetsika momba ny trozona rehetra dia mbola natao indrindra hampiroboroboana ny fizahantany sy ny fiarovana ny trozona ihany koa ny Carnaval des Baleines.

Fiarovana ny biby miaina anaty rano

Toy ny hetsika rehetra izay hatao hanomezana lanja ny fizahantany sy ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra ireo biby miaina anaty rano dia mandray anjara amin’izany ihany koa ity hetsika Carnaval des Baleines ity. Araka izany dia fotoana iray entina hampitomboana ny ezaka izay hatao hatrany ity hatao ity. « Anisan’ny zava-boahary iray mampiavaka an’ny Madagasikara ny trozona misy vozony (baleine à bosses). Tsy ampy araka izany raha hetsika iray fotsiny no hamelomana ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny ka izay no anton’ity hetsika vaovao ity », hoy ny Talen’ny Kabinetra an’ny Ministeran’ny fizahantany sy ny asa tanana. Ao anatin’izany dia mba hahafahana mampitombo ny isan’ireo mpizahatany tonga any Sainte Marie ihany koa ny hetsika. Manomana dia voalamina (voyage organisé) ity Ministera ity amin’io fotoana io. Amin’ny sarany 100 000 ariary izany izay natao ho an’ny saran-dalana mandroso sy miverina irery ihany. Olona eo ho eo amin’ny 120 eo no afaka ho entina ao anatin’izany.

Hetsika samihafa

Haharitra eo ho eo amin’ny fito andro eo ity hetsika lehibe ity. Mandritra izany, ireo mpanatrika dia afaka hisitraka hetsika maro isan-karazany. Ankoatra ny « carnaval » lehibe izay hisy ao an-toerana dia hampiavaka ny hetsika ihany koa ny « safari baleine » izay fotoana lehibe hahafahana mahita ireo trozona eny ambony rano eny. Etsy andaniny anefa dia hisy ihany koa ireo hetsika ara-koltoraly isan-karazany sy ny fitsidihana ireo torapasika manamarika an’ny Sainte Marie. Ao ireo fampisehoana hataon’ireo mpanakanto any an-toerana sy ireo izay vahiny ho avy any. Tsy ambakan’izany ihany koa ny toerana hahafahana manjifa ireo asa tanana samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires