• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fiarovana ny ranomasina sy ny toekarena manga : Maniry ny hiara-hiasa amin’ny AOSIS i Madagasikara

19/07/2024 15:08 © Moov.Mg

Firenena fahatelo marefo indrindra eran-tany, manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro, i Madagasikara. Marefo ihany koa anefa ny fahafaha-miatriky ny mponina, ka ilàna ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra izany. Nihaona tamin’ny filohan’ny Alliance of Small Island States (AOSIS) ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Iontolo Iainana malagasy, nitady fiaraha-miasa ho fiarovana ny ranomasina sy ny toekarena manga.

Fiovaovan’ny toetry ny andro

Nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika, sy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max andonirina, tamin’ny filohan’ny AOSIS, Fatumanava-o-Upolu III Dr Pa'olelei Luteru, tany New York, no nanambaran’izy ireo ny fanirian’i Madagasikara ny ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny vondrona AOSIS. Ny Alliance of Small Island States (AOSIS) moa dia fikambanan’ireo Nosy kely Fanjakana, izay najoro tamin’ny taona 1990, nandritra ny Fihaonanan an-tampony maneran-tany momba ny toetry ny andro, tany Genève. Manana anjara goavana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ireo Nosy kely Fanjakana sy ny pôlitika ara-tontolo iainana maneran-tany ny AOSIS. Laharam-pahamehana ao anatin’ny fandaharanasany ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fiantraikan’izany ara-tsôsialy, ara-toekarena ary eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, any amin’ireo Nosy kely.

Fiaraha-miasa vaovao

Isan’ny miaina mivantana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetry ny andro ny morontsiraky ny nosintsika. Misedra olana, noho izany ny ny jono amoron-tsiraka sy an-dranomasina, ny tontolo iainana amin'ny haran-dranomasina ary koa ny ala honko, izay ahiana mafy ho potiky ny fiakaran'ny ranomasina sy ny olan’ny toetry ny andro. Manoloana ireo dia maniry ny hanangana fiaraha-miasa vaovao ho an'ny toekarena manga, izay manohana ny fampiharana ny praograma sy ny drafitry ny asa ho an'ny fampandrosoana maharitra i Madagasikara. Heverina fa afaka manohana amin’izany ny AOSIS. Na dia eo aza ny velaran-tany midadasika, dia Nosy an-dalampandrosoana i Madagasikara, manana fahalemena mitovy amin'ireo mpikambana hafa ao amin'ny Vondrona. Manamafy ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa eo amin'ireo firenena ho amin'ny hoavy azo antoka sy maharitra kokoa ny fiarahana miasa amin'ireo Nosy mivondrona ao amin’ny AOSIS, hoy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny.

Lire la suite

Articles Similaires