Vaovao
Fadintseranana Malagasy : Fampahatsiahivana mikasika ny fivezivezen'ny entana sy ny olona eny amin'ny sisin-tany
Manoloana ny tranga teny amin’ny birao Ivato Mamory izay voizina amin’ny haino aman-jery sy ny tambazotra sosialy, mandefa filazana ny Fadintseranana Malagasy.
Tsy ireo entana rehetra akory no ilàna anaovana fanambarana. Arakaraka ny karazana entana no hamaritana na mila fahazoan-dalana manokana na tsia. Mety ho voakasika ihany ireo tompon'andraikitra hafa, fa tsy ny Fadintseranana irery.
Copyright Image : © DGD