Rejistra sosialy : Natomboka tao Ankilizato ny tetikasa
Tokony hisoratra ao anatin’ny rejistra sosialy avokoa ny olona tsirairay mandrafitra ny tokatrano iray. Mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny fisian’izany.
Ankehitriny dia miroso amin’ny fanisana sy ny fampidirina ny anaran’ny tokatrano tsirairay ao anatin’io rejistra nasionaly io ireo mpiara-miombon’antoka izay tarihin’ny ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy.
Fandraisana ny mombamomba ny tokatrano
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly 18 septambra tao amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky ny famenoana ny rejistra sosialy. Raha ny marimarina kokoa dia ireo kaominina ambanivohitra manodidina an’i Ampanihiy Andrefana sy Betioky Atsimo no hanombohana ny fakana ireo antontan-kevitra sy antotan’isa isan-karazany mahakasika ireo tokantrano. Nandritra io andro voalohany tamin’ny fanombohan’ny asa io dia ireo tokantrano ao amin’ny fokontany Sakamasy, kaominina Ankilizato no nisantarana ny asa.
Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia fitaovana iray entina mandray an-tsoratra ny mombamomban’ny tokatrano tsirairay avy ity rejistra ity. Amin’ny alàlan’ireo antontan-kevitra sy antontan’isa voaray tokoa mantsy no hahafahana manatsara ny fandrindrana ny asa miompana amin’ny fiahiana ara-tsosialy izay tanterahan’ny eo anivon’ny ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, eto Madagasikara.
Tsy misy ny distrika ho adino
Savaranon’ando ihany anefa io natao omaly io fa tsy misy distrika ho adino manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny ministera hatrany. 100% ny tokatrano manerana ny Nosy tokoa manko no tokony ho tafiditra ao anatin’io rejistra io hatramin’ny 2030, raha ny tanjona lavitr’ezaka no jerana. Raha ny tanjona fohy ezaka kosa no resahana dia tokatrano 60 000 isa no heverina ho voasoratra ao anatin’ny rejistra mialohan’ny hifaranan’ny taona.
Hitana anjara toerana lehibe mandritra ny fanatanterahana ireo asa ara-tsosialy manerana ny Nosy ny fisian’ity rejistra sosialy ity. Hanampy ireo mpisehatra amin’ny famaritana ireo tokony hisitraka ireo tetikasa isan-karazany izany.