• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama Ofisialy - Illustration
Image
Vaovao

TAC Ambohimanambola : Hanampy herinaratra 15MW eto amin’ny RIA ny milina iray afaka dimy andro

17/06/2026 16:11 © Moov

Asehon’ny JIRAMA avokoa ireo vahaolana sy fepetra raisiny hiatrehana ny maintany, manoloana ny fitohizan’ny fahatapahan-jiro. Tobim-pamokarana mandeha amin’ny solika, herin’ny masoandro ary fandatsahana orana artifisialy no entiny miatrika ny olana, saingy miandry ny vokany ny mponina.

Manamafy ny famokarana herinaratra ny JIRAMA

Anisan’ireo paikady ampiasain’ny JIRAMA hiatrehana ny fidinan’ny tahan’ny rano eny amin’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ny fampandehanana ny Tobim-pamokarana Herinaratra Mandeha amin’ny Solika (TAC) ao Ambohimanambola. Amin’izao fotoana izao dia mbola eo am-panatanterahana ny fitsirihana sy ny fanomanana rehetra ilaina amin’ny fampandehanana ireo milina ny teknisiana.
Nitsidika ifotony ny toerana ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny herinaratra, mba hijery ny fandrosoan’ny asa. Araka ny nambaran’ity Tale ity, dia hiodina afaka dimy andro ny milina voalohany ary hanampy herinaratra 15 MW ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina (RIA), izany.
Kasaina hiodina amin’ny faran’ny volana jona kosa ny milina faharoa, izay hanampy 15 MW ihany koa. Raha tanteraka izany dia hahatratra 30 MW ny hery fanampiny azo avy amin’ny TAC Ambohimanambola mandritra izao vanim-potoanan’ny maintany izao.

Vahaolana maro entina miatrika ny main-tany

Ankoatra ireo tobim-pamokarana mandeha amin’ny solika, dia miantehitra amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ny JIRAMA. Efa manampy hatrany amin’ny 30 MWc ireo tobim-pamokarana ao Ambatolampy, Antsirabe, Mangatany, Ampangabe ary Ambatomirahavavy rehefa tsara ny toetr’andro. Mbola hiampy 1 MWc hafa izany amin’ny alalan’ny tobim-pamokarana herin’ny masoandro ao Ambohidrano Ilafy, izay vinavinaina hiditra amin’ny famokarana amin’ny faran’ity volana ity.
Etsy ankilany, mitohy ny fiaraha-miasan’ny JIRAMA amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetrandro mba hijerena ny fahafahana manao fandatsahana orana artifisialy eny amin’ny farihin’Andekaleka, Mantasoa ary Tsiazompaniry. Tanjona amin’izany ny hitazonana ny tahan’ny rano ilain’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra.
Amin’ny alalan’ireo fepetra samihafa ireo, manantena ny JIRAMA sy ny mpanjifa fa hihena ny fiantraikan’ny maintany amin’ny famatsiana herinaratra. Ny tena fanirian’ny Malagasy rehetra, manerana ny Nosy moa dia ny tsy hisian’ny fahatapahana intsony.

Lire la suite

Articles Similaires