Depioten’i Soavinandriana : Misazy 10 taona an-tranomaizina noho ny Fitrandrahana sokatra an-tsokosoko
Androany alakamisy 17 Aprily no nivoaka ny didim-pitsaran’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) mikasika ny raharaha nahavoarohirohy ny depioten’i Soavinandriana, olom-boafidy amperin’asa.
Solombavambahoaka vao nahazo toerana tamin’ny taona 2024 lasa teo i Roméo Christophe Ramanatanana. Nirotsaka tamin’ny anarany manokana tao Soavinandriana ny tenany, izany hoe kandida mahaleo tena.
Tetika nandamoka
Raha tsiahivina, ny alin’ny 24 desambra 2024 lasa teo no nahatratrarana sokatra miisa 112 tao anaty valizy, teny Morondava Ambohibao Antehiroka. Nisy olona mampiahiahy tratran'ny zandary mpanao fisafoana nifanolotra valizy tao anatina fiara anankiroa.
Nametraka fanontaniana ireo mpitandro ny filaminana nefa tsy nisy nahita navaly izy ireo no sady tsy nanaiky fisavana. Rehefa nosavaina ny fiara dia nahatrarana sokatra 112 isa,mbola velona anaty valizy. Fantatra nandritra ny fanadihadihana fa olomboafidy am-perinasa ny iray ary mpanampy azy ny efatra tamin’ireo olona ireo.
Sazy mavesatra
Tsy misy maha-olom-boafidy ny fanenjehana mikasika ny fitrandrahana na fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena.
Araka ny tatitry ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, androany 17 Aprily no nivoaka ny didy mikasika ity raharaha ity. Nahazo sazy mihatra an-tranomaizina 10 taona sy lamandy 60 tapitrisa ariary ny roa tamin’ireo voarohirohy, ka anisan’izany ny depiote Romeo. Ireo ambiny kosa dia nahazo sazy 4 taona an-tranomaizina. Marihana nefa fa tsy maintsy manefa onitra 2 lavitrisa ariary ireo voapanga rehetra. Manana 10 andro izy ireo hampakarana ny raharaha raha toa ka tsy afa-po amin’ny didy nivoaka.
Manamafy hatrany ny fiarovana ny harem-pirenena moa na ny avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, na ny fadintseranana na ireo mpitandro ny filaminana.