Flash Actu
Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talen'ny TVM teo aloha sy ny Tale Vaovao Miorahasina Lorah Randrianiaina.
Tafaverina amin’ny maha-Solombavambahoaka azy i Sahondrarimalala Marie Michelle, Mara Volamiranty Donna ary Razafinjato Aurélie Marie Augustine. Valin’ny fangatahana nataony tamin’ny HCC taorian’ny fanesorana azy ireo tsy ho minisitra intsony.
Handball : Madagascar est choisi, pour la deuxième fois, pour abriter la formation des entraîneurs pour l'obtention de la Licence D IHF, qui se déroulera à Antananarivo du 22 au 26 février 2026
Pétanque : Zigle remporte le prix dans la catégorie « internationaux » du concours La Main d’Or, organisé par l’Équipe à Polo, la seule émission dédiée à ce sport. Et ce grâce au soutien du public.
Nisitraka fampiofanana mahakasika ny famokarana zanakazo ireo Sekoly fanabeazana fototra miisa 7 ao Itasy. Tanjona tamin’izany ny hahafahan’ireo sekoly ireo mamokatra zanakazo entina mamatsy arina fandrehatra ho an'ny « Cantines Scolaires » any aoriana.
Homarihina ny sabotsy 29 novambra ho avy izao, eny amin’ny fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana Analamanga eny Nanisana, ny androm-paritry ny ady amin’ny haromontana.
JIRAMA : Mety hiova ho loko fotsy sy mainty ny faktiora tonga eny am-pelatanan’ny mpanjifa, ho fampiharana ny politikam-pitsitsiana. Samy avy amin'ny JIRAMA avokoa na ilay faktiora miloko na ilay tsy miloko.
Antenimierampirenena Tsimbazaza : Mitohy androany 25 novambra ny fandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibola 2026 (LFI 2026)
1ère édition Pangalana Tour : Une tournée dédiée à la promotion des produits et savoir-faire du Grand Sud-Est. L’événement se tiendra du 8 au 18 décembre, au CCI Ambositra, CCI Antananarivo, CCI Antsirabe, Miandrivazo et CCI Morondava
L’Ambassadeur de France à Madagascar, M. Arnaud Guillois, a participé à la 13ᵉ journée des partenaires du Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS)
Nametrahana tanin-janakazo eny anivon’ireo sampan-draharahan’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, any amin’ireo Distrika 7 any amin’ny Faritra Sofia, mba ho fanamorana ny fisitrahana zanakazo amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Any Ambositra, Faritra Amoron’i Mania, no hankalazana ny Androm-pirenena momba ny Fanjariantsakafo andiany faha-20, ny 13 sy 14 desambra 2025.
Fanja Andriamanantena : Hanamarika ny tsingerin-taona faha-80 nahaterahany, faha-60 nilalaovany mozika, sy faha-20 taona nisian’ny « Mozika tsotra izao » ireo namany sy zanany ara-mozika, amin’ny 20 desambra izao.
Université d'Antananarivo : Andriamananjara Mamy Lalaina, étudiant au sein de la Mention Mathématiques et Informatique a remporté le Premier Prix National dans le cadre du Concours International ICSC 2025.
Manambana hitokona indray ireo mpianatra ho mpitsabo mivondrona ao anatin’ny Union des Internes de Madagascar, noho ny tsy fahitan’izy ireo soritra mazava tsara momba ny fifanarahana nataon’izy ireo tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Fanadihadihana maharitra eny anivon'ny tokantrano (EPM) : Tokantrano miisa 4 000 manerana ny Nosy voasafidy hatao santionany, ka mpiasan’ny INSTAT 200 no hanatanteraka izany.
Oniversiten'Antananarivo : Mifarana ny 15 Desambra 2025 ny fanaterana "dossiers" eo anivon'ny Faculté des Sciences, ho an'ireo mpianatra manana Bakalorea siantifika.
Fankalazana ny faha-190 taonan'ny Baiboly Malagasy voalohany sy ny faa-60 taonan'ny Fikambanana Mampiely Baiboly : Tontosa omaly alahady 23 novambra ny fotoam-pivavahana famaranana, teny amin'ny FLM Ambolokandrina.
Maintirano, Faritra Melaky : Vita ny fanarenana ny tohodrano ao amin’ny Lemak'i Veromanga, manondraka velaran-tany 160 ha, sy ny ao amin’ny Lemak’i Marefilaly, manondraka velaran-tany 1 600 ha. Vokatry ny tetikasa AD2M izany, izay vatsian'ny FIDA vola.
Rallye ASCAM 2025 : Norombahin'i Tahiana Razafinjoelina sy Rojo Rabenanahary, nitondra ny fiara Subaru M12, ny amboara.
Parc Tsimbazaza - Un site centenaire en pleine rénovation
Zaza tsy mahazaka « lactose » : ireo sakafo mitondra « calcium » tsara hoaniny
Mety mitranga tokoa ny hoe tsy mahazaka « lactose » ny zazakely. Ny « lactose » dia siramamy anatin’ny ronono ka ahitana azy io anatin’ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono. Ilain’ny zaza amin’ny fitomboany nefa ny « lactose » satria ity farany no mitondra ny « calcium » ao amin’ny vatana. Inona ary ny sakafo tsara omena ny zaza tsy mahazaka « lactose » ary inona mila fadiany ?
Fomba fikarakarana akoho miaro voanio na « poulet au coco »
Nahandro matsiro sady manitra tsara ny akoho miaro voanio na « poulet au coco ». Hoanina miaraka amin’ny vary na hoe atao laoka no tena tsara hinanana azy ity. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana akoho miaro voanio.
Torohevitra mahomby handroahana ny lalitra ao an-trano
Isan’ny zavatra mahasorena sy manelingelina rehefa fahavaratra toy izao ny fidiran’ny lalitra ao an-trano. Saika misy azy avokoa ny efitrano rehetra, na ny ao an-dakozia, efitrano fisakafoanana, efatra fatoriana… Ho an’ireo tsy tia mampiasa vokatra famonoana sy fandroahana lalitra ao an-trano misy akora simika dia atoro eto ireo torohevitra natoraly mandaitra azo atao.
Aretina « bronchiolite » : ny fisehony eo amin’ny olon-dehibe
Maro amintsika no mihevitra fa ny zazakely ihany no mety tratry ny « bronchiolite ». Marihana nefa fa tena misy tokoa ny « bronchiolite » mahavoa ny olon-dehibe. Mazava ho azy fa tsy mitovy tanteraka amin’ny « bronchiolite » eo amin’ny zaza izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe.
Terrine de légumes : "Entrée froide" matsiro tsy misy trondro
Anisan’ny « entrée » mampitsiriritra ny « terrine » rehefa misy lanonana. Azo amboarina tsara ao an-trano io sakafo io, sady tsy voatery asiana trondro.
Fofona ratsy ao an-trano : Ahoana no analàna izany ?
Tsy vitsy ireo fianakaviana maheno fofona hafahafa ao an-trano, indrindra amin'izao fahavaratra izao. Toa madio tsara ihany ao an-trano nefa misy fofona tsy mahatamana na manepotra mihitsy.
Vatobe Ambatomanga : Lasa Harembako-pirenena eto Madagasikara
Voasoratra amin'ny lisitry ny Harembako-pirenena eto Madagasikara ny Vatobe eny Ambatomanga, manomboka androany alakamisy 20 novambra 2025
Fahasalamana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny vitamina E
Ny vitamina E dia « antioxydant » mahery izay miasa amin’ny fiarovana ny sela, fanatsarana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo, fanohanana ny hery fiarovana ary fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Maro arak’izany ny vokatsoa ara-pahasalamana sy ara-batana azo avy amin’ny vitamina E. Araho eto ny santionany amin’izany.
« Fuite de gaz » : loza tsy hita maso nefa hahafaty
Maro ny azo ampiasana ny « gaz » ao an-tokantrano : fatana, « chauffage », « chauffe-eau »… Mila fitandremana tsara nefa ny fampiasana azy io satria ny « fuite de gaz », na dia tsy hita maso aza, dia mety hitera-doza sy mahafaty mihintsy. Zava-dehibe ny fahatantarana ireo « risques » mety ateraky ny « fuites de gaz » mba hahafahana mifehy izany malaky sy hisorohana ny loza.
Vokatra vita amin’ny akora natoraly mampalefaka ny volo
Isan’ny zavatra manahirana amin’ny fikarakarana ny volo ny fahatsapana azy enjana sy mahery. Efa misy moa ireo vokatra na « produits » mampalefaka volo hita eny amin’ireo mpivarotra « cosmétiques ». Matetika nefa dia misy akora simika izy ireny ka mety hanimba volo rehefa any aoriana. Ireto manaraka ireto ary misy karazana vokatra vita amin’ny akora natoraly mampalefaka volo ary azo amboarina ao an-trano.
Aretina tsitongandronono na « otite » eo amin’ny zaza :’ndeha ho resahana
Maro ireo karazana aretina mpahazo ny zaza sy ny ankizy na ny atao hoe « maladies infantiles », ka anisan’izany ny tsitongandronono na « otite ». Miseho amin’ny fanaintainan’ny sofina sy ny fisiana nana mivoaka eo amin’ity farany izany. ‘Ndeha ho fantarina ny atao hoe tsitongandronono, ny fisehony, ny fitsaboana ary ny fisorohana azo atao.
Fomba fanaovana « nems au poulet » matsiro
Tsakitsaky ankafizin’ny be sy ny maro ny « nems ». Saika ahitana azy ireny moa eny amin’ny mpivarotra hani-masaka rehetra eny. Hafa ihany nefa ny manamboatra ity nahandro ity ao an-trano. Maro ny fangaro azo hikarakarana azy, miankina amin’ny enti-manana sy ny tsiro tiana. Ny fomba fanaovana « nems au poulet » matsiro indray ary no zaraina eto.
Inona no mahatonga ny zazakely ho be ivy ?
Lasa be ivy, na be rora ny zazakely. Ara-dalàna ve hoe be ivy ny zazakely ? Inona no mahatonga ny zazakely ho lasa be ivy be ? ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasika ny « hypersalivation » na ny famokarana rora betsaka eo amin’ny zazakely.
Be loatra ny kalsioma anaty rà : ‘ndeha ho resahana ny « hypercalcémie »
Mitana anjara asa maro eo amin’ny vatana ny kalsioma : manamafy ny taolana, manatsara ny fiasan’ny fo sy hozatra, manatsara ny fifaneraseran’ireo « nerfs »… Efa tokony voarindran’ny vatana ny tahan’izy io. Raha lasa be loatra ny fatran’ny kalsioma anaty rà dia izay no atao hoe « hypercalcémie ». Inona no antony mety mahatonga ny « hypercalcémie » ? Ahoana ny fisehon’izany sy ny mety ho fiantraikany ?
Olona tsy ampy torimaso : Mety hihena hoazy ny atidoha !
Miantoka ny fiasan'ny vatana amin'ny ankapobeny ny atidoha. Tsy azo atao tsinontsinona izy io, na dia tsy taza-maso aza. Anisan'ny manimba atidoha ohatra ny tsy fahampian-torimaso sy ny rarintsaina (stress).
Césarienne : Tsy maintsy mitsangana ao anatin'ny 12 ora aorian'ny fandidiana !
Anisan'ny mampitaraina ny vehivavy avy natao "césarienne" rehetra ny fanaintainana mafy rehefa "terena" hitsangana iny. Amin'ny ankapobeny mantsy, 8 ora aorian'ny fandidiana eo ho eo dia tsy maintsy mitsangana ilay reny avy nodidiana. Inona àry no anton'izany ?
Tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy : ‘ndeha ho resahana
Havizanana maharitra, endrika hatsatra, sahirana mifantoka… Ireo fambara matetika tsy dia manaitra ireo dia mety manambara tsy fahampiana « fer » izay « trouble nutritionnel » fahita eo amin’ny ankizy. Mila fandraisana an-tanana aloha ny tsy fahampiana « fer » eo amin’ny ankizy mba hisorohana ireo mety ho fiantraikany ratsy amin’ny fitomboana ara-tsaina sy ara-batana mety ho atarek’izany.
Homamiadan’ny avokavoka : ireo fambara tokony hahamailo
Isan’ireo homamiadana tena mahafaty indrindra ny homamiadan’ny avokavoka. Anisan’ny antony mety mahatonga izany ny fahitana azy io tara loatra matetika. Misy amin’ireo fambara sasany moa indraindray tsy dia tsikaritra na hamaivanina, nefa efa fambara fanairana. Ny iray amin’izy ireo dia miseho rehefa vao mifoha maraina iny.
Fomba fanaovana « pizza de chou-fleur »
Maro tokoa ny olona tsy mahazaka « gluten » nefa dia tia hihinana « pizza ». Vahaolana iray tsy mampiasa lafarina azo hikarakarana ity farany ahazoana vokatra matsiro sy ara-pahasalamana kokoa ny « pizza de chou-fleur ». Araho eto ary ny fomba tsotra fikarakarana izany sy ireo akora ampiasaina.
« Burn-out » : ahoana ny fomba hiverenana miasa am-pitoniana ?
Mahazo vahana tokoa ankehitriny ny « burn-out ». Ity farany moa dia harerahana lalina ara-batana sy ara-tsaina vokatry ny rarintsaina maharitra ateraky ny asa. Mety miteraka olana ara-pahasalamana lalina, na ara-tsaina na ara-batana, moa izy io ary mety mitarika amin’ny famonoan-tena raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Rehefa vita ary ny fitsaboana ny « burn-out » dia ahoana ny fomba atao hiveranana miasa am-pitoniana sy hisorohana ny « rechute » ?
Les Partenaires
Moovnaute