• Cours de change
  • 5079.25 AR
  • |
  • $4429.3 AR
Copyright Image : © La Ptite Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro mangatsiaka : Ireo sakafo tsara hanina ao an-trano

18/07/2025 15:18 © Moov

Marefo ny vatana amin'ny ankapobeny rehefa ririnina toy izao. Mandany angovo mantsy ny ady amin'ny hatsiaka. Izany indrindra no mahatonga ny hery fiarovana hihena ka toa mora voan'ny sery/ gripa, marary kibo na marary an-doha lava.

Somary mampiadana ny fiasan'ny taova ao anaty ny hatsiaka, indrindra moa fa ireo taova fandevonan-kanina. Izany indrindra no antony tsy tokony hihinanana sakafo mavesatra sy matavy. Inona kosa àry ireo sakafo mahasalama sy mamelombelon'aina amin'izao ririnina izao ?

Ny legioma

Ampitomboina ny fihinanana karazana legioma amin'izao vanim-potoan'ny andro mangatsiaka izao. Manankarena vitamina sy akora samihafa mahasoa ny fahasalamana izany sakafo izany, sady mampitombo ny hery fiarovana. Singanina manokana ny karoty, ny karazana laisoa, ny courgettes, ny betterave ary ny poireaux. Amporisihina izany isika hazoto hikarakara lasopy legioma. Tsara raha asiana voatavo izany lasopy izany : ny voatavo mantsy dia tena mahasalama, miaro amin'ny aretina samihafa, manamora ny fandevonan-kanina sady mahatsara hoditra.
Tsiahivina fa tsara atao matetika amin'ny laoka ny Sakamalaho. Manampy ny hery fiarovana izy sady mampafana ny ao anaty ao.

Ny voankazo

Tsy azo adinoina ny voankazo na mangatsiaka aza ny andro. Ireo voankazo manankarena Vitamine C, miaro amin'ny sery sy ny gripa, no tena tokony hanina isan'andro. Anisan'izany ny voasary, voasary makirana, frezy, papay sy mananasy. Ilain'ny vatana ihany koa ny akondro sy ny zavokà, voankazo mahasoa amin'ny vanim-potoana rehetra. Mahasoa ihany koa ireo "fruits secs" amin'izao ririnina izao, indrindra ny "raisins secs" sy ny "amandes".
Raha te hihinana "confiture" dia tsara raha manamboatra ao an-trano. Matetika mantsy dia be loatra na misy akora simika ireo vokatra efa vonona.

Ireo sakafo samihafa

Ilain'ny vatana tokoa ny atody sy ny "produits laitiers". Tsy azo atao betsaka nefa ireo kazaran-tsakafo ireo satria somary saro-devonina. Ampy tsara ny fihinanana atody iray in-telo isan-kerinandro. Azo hanina isan'andro kosa ny "produits laitiers", saingy atao fatra kelikely sady ovaovaina. Ampifandimbiasina izany ny fihinanana fromazy, yaourt sy ronono.

Lire la suite

Articles Similaires