• Cours de change
  • 5079.25 AR
  • |
  • $4429.3 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Tafakatra 31 ny isan'ireo maty

18/07/2025 17:17 © Moov

Nitombo iray indray ny isan'ireo namoy ny ainy noho ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Miisa 31 izany izao ireo maty.

"Tsy fomba ny manisa maty". Fitenanana izany saingy amin'ny tranga toy izao dia tsy maintsy faritana mazava ny isan'ireo namoy ny ainy.

Fahafatesana faha-31

50 teo ho eo ireo namonjy ilay "Anniversaire" teny Ambohimalaza, tamin'ny sabotsy 14 jona lasa teo. Efa 31 be izao ireo maty, izany hoe efa ho 3/4 tamin'ireo mpilanonana. Nodimandry androany zoma 18 jolay mantsy ny tovolahy iray antsoina hoe Antsa Andrianarivo. Hatramin'izay iray volana nitsaboana izay, tsy nisy "traitement" niova firy, araka ny nambaran'ireo fianakaviana manana marary. Tsy vitsy tamin'izy ireo no nilaza fa "miandry fahafatesana" ny havany.
Ny renin’i Nombàna, ilay namoy zanaka omaly 17 jolay, dia nanamafy fa malemy, tsy miteny sady tsy mahita ireo mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly. Manao antso avo ny tenany, na dia namoy zanaka roa aza, ny mba hanavotana ny ain’ireo marary sisa tavela. Nananany fanantenana tokoa mantsy i Nombàna izay efa tena nihatsara, ka mampanahy tanteraka azy ireo marary tsy afaka mampihetsika afa-tsy ratsan-tanana na ratsan-tongotra iray.

Fiala-nenina

Miandrandra mafy vahaolana farak'izay haingana amin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana sy ara-pahasalamana ireo mbola manana marary tsaboina eny amin'ny HJRA. Toa efa very fanahy mbola velona mantsy izy ireo amin'ny fitsaboana. Angatahin'izy ireo ny famoahana izay tena zava-misy marina satria toa manjavozavo ny fanazavana azo mikasika ilay "fanapoizinana". Mety hanavotra aina mantsy raha misy toro vaovao fantatra, indrindra mba hanovàna ny fanafody omena ny marary.
Hatramin'ny omaly 17 jolay, nahafeno 30 ny isan'ireo namoy ny ainy, miparitaka eny amin'ny tambazotran-tserasera Facebook ny fitakiana ny "famoahana ny marina" amin'izao raharaha izao. Etsy ankilany, nisy ny fiaraha-mivavaka nokarakarain'ny Mpitandrina Avotra ho an'ny Firenena (MAFI) teny amin'ny Kianja Maitso Analamahitsy, androany 18 jolay. Natao ho fankaherezana ireo namoy havana izany, sady fiaraha-miombom-po amin'ireo fianakaviana mbola mitsabo ireo akaiky azy.
Araka ny loharanom-baovao avy amin'ny Radio Antsiva, nametraka fitoriana teny amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy ny fianakavian'ireo namoy havana sy zanaka. Ilay tompom-pety moa no notoriana tamin'izany. Nivondrona ny ankamaroan'ireo fianakaviana ka nanatanteraka izao dingana izao.

Lire la suite

Articles Similaires