• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ladepeche.Fr
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady tsy te hiteraka intsony : vahaolana mahomby ny « vasectomie »

25/10/2023 11:17 © Moov.Mg

Efa misy tokoa ny fomba fanabeazan’aizana azon’ny lehilahy atao, dia ny « vasectomie » izany. Maro nefa ny lehilahy mbola misalasala na tsy masahy manao izany noho ny tahotra ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny firaisana ara-nofo. Fa inona tokoa no atao hoe « vasectomie » ? Tsy misy atahorana ve ny fanaovana izany ?

Inona no atao hoe « vasectomie » ?

Ny « vasectomie » dia fanapahana na famatorana ny lalan’ny tsirinai’aina, izay mivoaka ao amin’ny « testicules » (ilay voany roa ao ambanin’ny filahiana). Izany no atao mba tsy hisian’ny tsirin’aina (spermatozoïdes) intsony ao anatin’ny ranon’aina (spermes). Rehefa tsy misy tsirin’aina mihaona amin’ny atodin’ny vehivavy (ovule) dia tsy ho bevohoka mihintsy ny vehivavy. Raha ny marina dia tsy fanabeazana aizana ny « vasectomie » fa fomba iray entina hampitsaharana ny fahafahana miteraka eo amin’ny lehilahy na koa hoe fomba iray mahamomba azy.
Mila mandinika tsara noho izany ny lehilahy vao misafidy ny atao « vasectomie » satria tsy afaka miteraka intsony mihintsy mandrakizay ary tsy misy fanafany izany. Matetika moa dia omen’ny mpitsabo 4 volana ny lehilahy maniry ny hanao « vasectomie » rehefa avy nampahafantarina ny rehetra mikasik’izany mba hanapahany hevitra. Mila raisina ao anatin'ny kajikajy ny fieritreretana hoe mety hisy ny fisarahana na fahafatesana ka mety hiverina hanambady ny lahy dia mety hitady zaza hafa indray, na ny fitadiavana zaza hafa noho ny fahoriana, ...

Ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ny fanaovana « vasectomie »

Vahaolana iray anisan’ireo mahomby indrindra ny fanaovana « vasectomie » ho an’ireo lehilahy tsy maniry ny hiteraka intsony mihintsy. Maro etsy andaniny ireo lafy tsaran’ny fanaovana izany :
-Azo atao ny « vasectomie » na tsy mbola niteraka aza, fa kosa tsy maintsy efa ampy taona ;
-Voasoroka tanteraka ny vohoka tsy niriana ;
-Tsy misy fiantraikany amin’ny fahazotoana miray ;
-Tsy misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny lehilahy hiray ara-nofo. Diso tanteraka ny fiheveran’ny olona sasany hoe tsy mahavita miray ara-nofo intsony ny lehilahy natao « vasectomie » ;
Misy ihany koa nefa ireo lafy ratsy na ireo manahirana amin’ny fanaovana « vasectomie ». Ny « vasectomie » tokoa mantsy dia :
-Tsy miaro amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo ;
-Mety mahatonga fanenenana any aoriana raha toa ka maniry hiteraka indray ilay lehilahy na ny mpivady.

Ireo fitandremana atao rehefa avy natao « vasectomie »

Marihana fa any amin’ny toeram-pitsaboana matihanina ihany no azo atao ny « vasectomie ». Rehefa vita soamantsara ny fandidina dia misy ireo fitandremana mila ataon’ilay lehilahy avy natao izany :
-Mila mampiasa fanabeazana aizana mandritra ny 3 volana taorian'ny « vasectomie » satria mety mbola mamokatra tsirin'aina ao anatin’izany fe-potoana izany ;
-Tsy manao firaisana aloha mandritra ny herinandro taorian'ilay « vasectomie », ary tsy mikotrana na mibata zavatra mavesatra.

Lire la suite

Articles Similaires