• Cours de change
  • 5112.33 AR
  • |
  • $4413.43 AR
Copyright Image : © Tf1 Info
Image
Sexualité & Mariage

« Vasectomie » : mety tsy mampihenjana ny filahiana tokoa ve ?

11/07/2025 14:46 © Moov.Mg

Ny « vasectomie » no fomba fanabeazana aizana natokana ho an’ny lehilahy. Mbola maro tokoa nefa ny lehilahy tsy masahy manao azy io noho ny tahotra sao tsy mahavita mienjana intsony ny filahiana na hoe lasa « impuissant ». Andeha ho resahana eto ny mikasik’izany.

« Vasectomie » : tsy marina ny fiheverana fa tsy mampihenjana ny filahiana

Amin’ny ankapobeny dia tsy misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny filahiana hienjana ny « vasectomie ». Fihevitra diso re matetika eny amin’ny fiarahamonina eny fotsiny ihany izany. Tsy mahatonga ny lehilahy ho lasa « impuissant » ny « vasectomie » satria :
Tsy manova ny famokarana hormonina ao amin’ny vatan’ilay lehilahy. Ny « vasectomie » dia fanapahana sy fanidiana ireo fantsona mitondra ny tsirinaina (spermatozoïdes). Tsy misy fiantraikany amin’ny famokarana « testostérone », izay hormonina lahy miandraikitra ny filàna ara-nofo, ny fihenjanan’ny filahiana…, izy io. Ny « testicules » dia mbola manohy mamokatra « testostérone » ary mbola mankany amin’ny rà hatrany ity farany.
Tsy miova ny fiainana ara-pananahana. Tsy misy fiantraikany amin’ny fienjanan’ny filahiana, ny famoahana ranon’aina sy ny fahazoana fahafinaretana ny « vasectomie ». Ny tsirinaina fotsiny no tsy misy. Ny tsirinaina moa no mety mahabevohoka raha mihaona amin’ny atodin’ny vehivavy.
Mampitony ny saina. Eo amin’ny lehilahy sy mpivady maro dia vao maika ary mety manatsara ny fiainana ara-pananahana sy ny filàna ara-nofo ny « vasectomie ». Manala ny tebiteby sy ny rarintsaina mikasika ny vohoka tsy niriana tokoa mantsy ny fampiasana azy io ka mahatonga ny mpivady hanana fitoniana ara-tsaina.

Ireo mila tandremana kosa mikasika ny « vasectomie »

Na dia tsy atahorana hisy fiantraikany amin’ny fienjanan’ny filahiana àry ny « vasectomie » dia misy ihany ireo teboka vitsy mila tandremana rehefa manao azy io :
Fadiana ny manao firaisana ara-nofo mandritra ny herinandro aorian’ny nanaovana ny « vasectomie » mba ho sitrana tsara aloha ilay fery kely ao anaty ;
Marihana fa tsy mandaitra eo no ho eo ny « vasectomie » satria mety mbola misy tsirinaina tavela ao amin’ireo fantsona mandritra ny herinandro vitsivitsy. Mila mampiasa fomba fanabeazana aizana hafa aloha mandritra io fotoana io mba hisorohana ny vohoka tsy niriana ;
Amboarina tsara ny saina. Na dia tsy misy fiantraikany ara-batana eo amin’ny fienjanan’ny filahiana aza ny « vasectomie » dia ny saina no mety hitarika izany. Mety hahatsiaro tena ho nisy zavatra nihena eo aminy ilay lehilahy ka io no mahatonga azy lasa « impuissant ». Raha mitranga izany dia mila manantona mpiasan’ny fahasalamana mba hampitoniana ny saina sy hahazo vahaolana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires