• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Histoires De Papas
Image
Sexualité & Mariage

Ny andraikitry ny raim-pianakaviana mandritra ny fitondrana vohoka

19/10/2023 15:11 © Moov.Mg

Mandritra ny fitondrana vohoka dia ny andraikitry ny vehivavy hatrany no hifantohana satria amin’ny vatany no mitranga ny fiovana rehetra. Tsy voaresaka matetika ny andraikitry ny lehilahy nefa dia tena manan-danja tokoa izany. ‘Ndeha ary ho resahana ny andraikitry ny raim-pianakaviana mandritra ny fitondrana vohoka.

Ilaina ny fandraisan’anjaran’ny raim-pianakaviana mandritra ny fitondrana vohoka

Ny fandraisan’ny raim-pianakaviana andraikitra mandritra ny fitondrana vohoka dia fomba iray mampisy fifamatorana eo amin’ny sy ny zanany. Tsy miandry rehefa teraka ilay zaza vao miforona ny fatorana eo amin’ny ray sy ny zaza. Ny fampidirana ny raim-pianakaviana amin’ireo dingan’ny fitondrana vohoka dia mahatonga azy hifandray bebe kokoa amin’ilay zazakely. Etsy andaniny ihany koa dia hahatsapa ho voatohana kokoa ilay reny.

Inona avy ary ireo andraikitry sahanin’ny ray mandritra ny fitondrana vohoka ?

Na dia tsy mitondra ny zaza ao an-kibo aza ny raim-pianakaviana dia manana andraikitra feno amin’ny fanohanana ny reny mitondra vohoka sy manome fitiavana sahady ny zaza ho ateraka. Anisan’ny andraikitra sahanin’ny ray mandritra ny fitondrana vohoka noho izany ny :
-Fanarahana ilay vehivavy amin’ireo karazana fizaham-pahasalamana. Anisan’izany ny fandehanana misafo, manao « échographie » sy ireo fitiliana samihafa mila ataon’ny reny bevohoka. Ny fanaovana izany dia mahatonga ilay raim-pianakaviana handray anjara amin’ireo zavatra rehetra mitranga amin’ny zanany. Mahatsiaro tena voaro sy voatohana ihany koa ilay vehivavy ka milamin-tsaina kokoa mandritra ny fitondrana vohoka.
-Fandraisana anjara amin’ny fanomanana rehetra amin’ny fahatongavan’ny zazakely. Mazava ho azy moa fa ny raim-pianakaviana no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanomanana ara-bola ny fiterahan’ny vehivavy sy ny fikarakarana azy mandritra ny fitondrana vohoka. Ankoatra izay dia eo ny fividianana ireo kojakoja ilain’ny zazakely, toy ny fitafy sy ireo fitaovana momban’ny zaza samihafa. Miara misafidy sy mividy azy ireny ny mpivady satria samy mikatsaka izay mahasoa ny zazakely.
-Firesahana amin’ny zaza ao am-bohoka. Ny zazakely tokoa mantsy dia maheno ny feon’ny reniny ary mahare ihany koa ny feo any ivelany. Ilaina izany ny firesahan’ny raim-pianakaviana amin’ny zaza ao an-kibo mba hanamafisana ny fifamatorana amin’izy ireo alohan’ny hahaterahan’ny zaza. Azon’ny ray atao ihany koa ny manafosafo ny kibo, mijery ny zaza mihetsy avy ety ivelan’ny kibo…

Lire la suite

Articles Similaires