• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femmes Références
Image
Sexualité & Mariage

Intimité : Tokony hiara-hatory amin'ny mpivady ve ny zazakely/ ankizy ?

17/10/2023 20:05 © Moov.Mg

Tapitra hatreo ny tena fiainana ara-pananahan'ny olondroa rehefa tonga ny zazakely : hevitry ny maro io, saingy tsy voatery ho marina. Marina tokoa fa mihena ny fotoana iarahan'ny mpivady sady miha-reraka ny vatana noho ny adidy aman'andraikitra mitombo andro aman'alina. Tsy manakana ny hisambarana fiainana ara-pananahana ampy sy mahafinaritra nefa izany. Tokony hiara-hatory amin'ny mpivady ary ve ny Zaza/ ankizy ?

Azo leferina ny zaza miara-matory amin'ny mpivady

Tsy afaka mihetsika mahery, tsy afaka mamoaka feo, tsy afaka miray ela loatra, tsy afaka mankafy, ... Mpahazo ireo mpivady miara-matory amin'ny Zaza/ankizy ireo. Tsy tiana ho taitra sy hahafantatra izay zavatra ataon'ny olon-dehibe mantsy ny zanaka.
Amintsika Malagasy, ny "vahiny" no sahy mamela irery ny zanany vao teraka amina efitrano manokana. Tsy ifanomezan-tsiny mihitsy araka izany ny fiaraha-matory amin'ny zanaka. Manamora ny fampinonoana rahateo izany, indrindra fa amin'ny alina. Rehefa tapitra ny fotoana ifanan'ny vehivavy vao mety "manelingelina" amin'izay ny fisian'ny zaza eo amin'ny fandriana iraisana.
Raha mbola tsy azo atokana efitra ny zaza, amporisihana ny fisintahana matetika, hampiverina indray ny fifanintonana, sady hahafahana mankafy tsara ny firaisana ara-nofo. Azo atao ohatra ny manankina ny zaza amin'i dadabe sy nenibe rehefa faran'ny herinandro, na dia ora vitsy aza, hahafahan'ny mpivady mikolokolo ny fitiavana. Misy ireo mahavita mifanantona amin'ny ora fisakafoanana (raha mifanakaiky ny toeram-piasana) ka miditra amin'ireny toeram-pandraisam-bahiny ireny.
Afaka manararoatra tsara ihany koa ny mpivady rehefa resin-tory ny zaza. Tsy hadalana velively ny miray any amin'ny efitra hafa : fandraisam-bahiny na lakozia. Tsy vitsy ihany ireo manararoatra kely rehefa miara-mandro iny.

Mila mitoka-pandriana ny ankizy

Raha ho an'ireo ray aman-dreny nisafidy ny hiara-hatory amin'ny zazakely, sarotsarotra ny dingana hisarahana efitrano. Mba hiverenan'ny "intimité" lavorary eo amin'ny mpivady nefa, tsara raha mitokana efitrano ny zaza rehefa misara-nono, izany hoe eo amin'ny faha-roa na telo taona raha ela indrindra. Tsara kokoa raha efitrano mifanila amin'ny an'ny mpivady no asiana ny zaza. Afaka manararoatra tsara ny mpivady rehefa mihidy ny varavarana, na atoandro na alina. Raha tery moa ny trano dia tsy maintsy miray efitrano saingy manisy fandrinakely mitokana.
Tsy tapitra tany amin'ny maha-mpisipa sy maha-mpifamofo akory ny fifanomezana fahafinaretana, eny fa na mety misesy aza ny fiterahana. Tsy hoe rehefa mitombo ny taona dia tsy tokony hanao "découvertes sexuelles" intsony. Adidin'ny mpivady, ny lahy sy ny vavy mihitsy, ny manome lanja ny "vie sexuelle". Maro ireo rava tokantrano noho ny tsy fifampirarahiana intsony noho ny fahasahiranana mikarakara ny ankizy. Mba hisorohana ny fitadiavan'ny andaniny na ny ankilany fahafinaretana any ivelany, tsara raha tsy tapahina na hatsatsoina ny fiainana ara-pananahana. Tohizana hatrany ihany koa ireo fialamboly efa nahazatra : fiarahana mandehandeha, fijerena film, fanaovana fanatanjahan-tena. Ny tena tanjona dia ny hitahirizana ilay "complicité" eo amin'ny olondroa.

Lire la suite

Articles Similaires