• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Calebasse Verte
Image
Sexualité & Mariage

Ireo fomba atao hanaitairana ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady

06/10/2023 10:00 © Moov.Mg

Mandray anjara feno amin’ny fanamafisana ny fitiavana eo amin’ny mpivady ny firaisana ara-nofo. Ny fihenan’ny filàna ara-nofo eo amin’ny lahy na eo amin’ny vavy dia mety hampangatsiaka ny tokantrano ary hiteraka hatrany amin’ny fisarahana. Ahoana ary ny fomba atao hainaitairana hatrany ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady ?

Miezaka miova amin’ny mahazatra

Anisan’ny antony voalohany mampihena ny filàna ara-nofo ny manao toy ny fahazarana fotsiny ihany ny firaisana ara-nofo. Lasa tsy mientanentana intsony ny mpivady satria efa zary lasa mandeha ho azy ny fiarahana eo amin’ny farafara. Mba hanaitaitra ny filàna ara-nofo dia mila miezaka mikaroka zava-baovao, ny andaniny sy ny ankilany, hanafanana ny firaisana ara-nofo. Anisan’izany ohatra ny fandehanana amin’ny toerana hafa toy ny trano fandraisam-bahiny tsindraindray. Azon’ny vehivavy atao ny mividy atin’akanjo mampientanenana an-dramose. Fomba iray mahomby ihany koa ny fanaovana ireny « jeux de rôles » ireny. Maro ny zavatra azo atao mba tsy ho lasa tsianjery fotsiny ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady.

Misangisangy sy miala voly hiadiana amin’ny rarin-tsaina

Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny filàna ara-nofo ny fisian’ny rarin-tsaina. Mba hiadina amin’izany dia mila mifanohana hatrany ny mpivady. Raha misy zavatra mampiasa saina ny andaniny dia miezaka manao izay hanariana dia sy hampifalifaliana azy ny ankilany. Amin’ny andavanandro dia tsy adinoina ny misangisangy sy miaraka miala voly. Mifanakaiky fo ary miray saina kokoa ny mpivady manao izany. Ho mora amin’izy ireo ihany koa ny miara-mikaroka ny fomba atao hanaitairana ny filàna ara-nofo ao aminy.

Mifampiresaka sy mifampihaino

Ilaina eo amin’ny fiainan’ny mpivady ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana mba hampirindra sy hampaharitra ny tokantrano. Tsy adinoina ihany koa ny mifampiresaka sy ny mifampihaino mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo. Izany dia ahafan’ny roa tonta mifanome fahafinaretana sy miaraka mankafy izany. Antony iray mampihena ary mety mamono ny filàna ara-nofo tokoa mantsy ny tsy fahazoana fahafinaretana mandritra ny firaisana. Tsy tokony hatahotra na ho menatra noho izany ny miteny ny vady izay zavatra ankafizina na endrasana aminy rehefa miray mba hahazoana fahafinaretana. Ny ankilany kosa mila mihaino ary miezaka manatanteraka izany raha toa ka azony atao izany.

Lire la suite

Articles Similaires