• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ça M'Intéresse
Image
Sexualité & Mariage

Fihenan’ny filàna ara-nofo aorian’ny « ménopause » : inona no antony ?

04/10/2023 14:56 © Moov.Mg

Mitondra fiovana maro eo amin’ny vatan’ny vehivavy ny « ménopause ». Anisan’izany fiovana izany ny fihenan’ny filàna ara-nofo. Maro amin’ireo vehivavy « ménopauses » no lasa tsy mazoto na tsy tia miray amin’ny vadiny intsony. Inona no antony mety mahatonga izany ary inona no vahaolana azo atao ?

Ireo antony mahatonga ny vehivavy « ménoposes » tsy mazoto hanao firaisana intsony

Marihana fa tsy ny vehivavy « ménopauses » rehetra no ahitana izany fihenan’ny filàna ara-nofo izany. Miankina amin’ny toe-batanan’ny tsirairay izany, ka misy ireo vao maika mazoto hanao firaisana ara-nofo, misy ireo tsy nisy fiovana teo amin’ny filàny ary misy kosa ireo lasa kamo sy tia miray intsony mihintsy. Maro ireo antony mahatonga ny vehivavy lasa tsy tia miray intsony rehefa tafiditra anaty « ménopause » :

Fikorontanan’ny « hormones »

Rehefa « ménopause » ny vehivavy iray dia mitsahatra ny fiasan’ny « ovaires » ka lasa mihena tampoka ny tahan’ny « oestrogène » ao amin’ny vatany. Ny « oestrogène » nefa no manaitra ny filàna ara-nofo ao aminy, indrindra mandritra ny fotoana maha lonaka. Ny fihenan’ny « oestrogène » ihany koa dia misy fiantraikany hafa amin’ny vatan’ny vehivavy, toy ny « sècheresse vaginale » na fahamainana amin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy ka mety hahatsapa marary ilay vehivavy rehefa miray amin’ny vadiny.
Mety mahatonga « atrophie urogénitale » ihany koa ny fihenan’ny « oestrogène », izany hoe mihamanify sy malemy ilay hoditra eo ivelan’ny fivaviana ka mampisy fanaintainana ihany koa mandritra ny firaisana. Raha ireo voalaza ireo no mitranga dia lasa matahotra sy miferotr’aina ilay vehivavy « ménopause » rehefa hiray amin’ny vadiny ary amin’ny farany tsy hanaiky intsony mihintsy.

Sakana ara-tsaina

Misy fiantraikany amin’ny lafiny ara-tsaina eo amin’ny vehivavy « ménopause » ireo fiovana eo amin’ny vatany. Anisan’izany fiovana izany ny fitomboana lanja, ny fahamainan’ny hoditra sy ireo fiovana ateraky ny fahanterana toy ny ketrona amin’ny tarehy, mora vizaka… Ireny rehetra ireny dia miteraka tsy fahatokisan-tena eo amin’ny vehivavy « ménopause ». Mahatsiaro tena ho tsy manintona ny vadiny intsony izy ka mety hitarika rarintsaina ho azy izany.
Ankoatra izay dia manjary lasa mora kizitina, mitebiteby lava… Misy fiantraikany amin’ny fifandraisana amin’ny mpivady moa izany ka tsy mahavita mifampiresaka tsotra sy mifanambitamby intsony izy ireo. Rehefa mitambatra ireny rehetra ireny dia mihena ho azy ny filàna ara-nofo ao amin’ilay vehivavy « ménopause » ka rehefa tsy mahita vahaolana ny mpivady dia mety mihitatra hatrany amin’ny tsy fanekeny hanao firaisana ara-nofo intsony mihintsy izany.

Ny vahaolana amin’ny fihenan’ny filàna ara-nofo rehefa « ménopause »

Tsy tokony hiraviravy tanana ka hinona amin’izany fahalainana hanao firaisana ara-nofo izany ny vehivavy « ménopause ». Mila mitady vahaolana hatrany ny mpivady mba hanatsarana ny fiainana ara-pananahan’izy ireo aorian’ny faha 50 taona. Anisan’ny vahaolana azo atao ny :
Mitady fomba hitsaboana ny « sècheresse vaginale » na hisorohana ny fanaintainana aterak’izany mandritra ny firaisana ara-nofo. Tsara raha manantona mpitsabo mba hahazo ny torohevitra na fanafody mila ampiasaina amin’izany. Toy izany ihany koa ny vehivavy manana olana amin’ny « atrophie urogénitale ».
Mikasika ireo sakana ara-tsaina dia ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady no vahaolana lehibe indrindra. Anjaran’ny lehilahy no manambitamby sy mampahafantatra ny vadiny fa mbola manintona azy hatrany ity farany. Ilain’ny vehivavy ihany koa ny miresaka sy mifanerasera amin’ny namany mba hampiala voly ny sainy. Mila mikarakara vatana tsara ihany koa mba hanana fahatokisan-tena hatrany. Ary farany, ilaina ny manao firaisana ara-nofo na dia somary malaina aza indraindray. Tsy adinoina ny manovaova ny fomba fanao, ny fanaovana « préliminaires » … mba hampitombo hatrany ny filàna ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires