• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kayak Gonflable
Image
Sexualité & Mariage

40 taona : Efa tokony hieritreritra "retraite" ve ?

04/10/2023 10:52 © Moov.Mg

Taonan'ny fahamatorana ny manomboka eo amin'ny faha-40, na dia misy aza ny milaza fa tsy maintsy manao hadalana kely ny lehilahy rehefa mananika an'io taona io. Na mbola manana 20 taona aza mantsy iasana, ilaina tokoa ny manomana sahady ny retraite.

Jery todika

Rehefa migadona ny faha-40 taona dia matetika matahotra ny lehilahy hoe miha-antitra. Ny ankamaroany dia te hanaporofo fa mbola tanora sady mitana tsara ka lasa te hanandrakandrana. Ao ireo miverina manadala tovovavy indray, raha miroso amin'ny fiovana taovolo sy fitafy ny sasany.
Mikasika ny asa kosa, tsara ny manao jery todika ny zava-bita : tanteraka ve ny faniriana hatrizay ? Mifanaraka amin'ny fianarana natao na ny fahalalala ananana ve ny asa atao ankehitriny ? Ara-dalàna tsara ve ilay toeram-piasana ka mety hanome "retraite" ? Mbola mila iantohana ve ny ankizy rehefa retraite sa efa tokony hahaleo tena ? Maro ireo fanontaniana mila valiana, mba isorohana ny tranga tsy ampoizina. Tsy vitsy mantsy ireo mpiasa tamin'ny orinasa tsy miankina no nanantena handray valin-kasasarana rehefa "retraite", nefa hay tsy misy taratasy ara-dalàna any amin'ny CNaPS akory.
Raha efa "fonctionnaire" na manana asa "stable" anaty orinasa tsy miankina (sady manara-dalàna) dia tokony tsy misy atahorana intsony ny "retraite". Mbola afaka miezaka hatrany mba hanatsarana ny toerana sy ny karama. Tandremana kosa nefa ireo fahadisoana mety hahazoana sazy na haha-voaroaka mihitsy aza. Ho an'ireo mbola tsy nahatratra tanjona kosa nefa, mbola tsy tara raha hitady asa izay tena mahasoa. Mila fandinihana tsara nefa ny fanapahan-kevitra raisina. Tsy vitsy mantsy ny orinasa manome vahana kokoa ny tanora, manodidina ny roapolo sy telopolo taona.

Vina mitombina

Mila mandinika ny fiainan'ny ankohonany ny tsirairay rehefa eo amin'ny faha-40 taona. Ho an'ireo niteraka alohaloha, mety efa taona vitsy sisa dia hahaleo tena ireo zanaka. Misy koa ireo mbola mikasa ny hiteraka aorian'ny faha-40 taona. Izany hoe raha 45 taona no miteraka, vao 15 taona ilay zaza rehefa 60 taona, ka tsy maintsy mbola hiantoka ny fianarany eny amin'ny Lisea sy Ambaratonga Ambony.
Na mbola mila fiantohana na tsia ny ankizy rehefa "retraite", ilaina ny mahazo antoka fa hanana fidiram-bola azo antoka. Tokony fantatra mialoha ny vola ho azo isam-bolana. Raha fantatra hoe tsy ho ampy mantsy dia tokony mitady fanampim-pidiram-vola mialoha. Azo atao ohatra ny mampiasa vola amin'ny varotra na amin'ny fananganana ny orinasan'ny tena manokana. Azo atao mialoha izany mba hangalana traikefa. Rehefa mijanona tsy miasa intsony dia mandray manontolo ilay asa tena efa natomboka, na mianoka izay vola azo avy amin'izany.
Tsy vitsy ireo manangom-bola, managana trano sy mividy fiara, hahahafahana migalabona sy mitsangatsangana araka izay azo atao. Marihana nefa fa noho ny adim-piainana manjo ny ankamaroan'ny mpiasa malagasy, sarotra ihany ny hitahiry ambim-bava hitsinjovana ny fahanterana. Na izany aza, samy miezaka ny tsirairay mba hanomana tsara ny hoavy. Tsy azo adino fa tena ilaina ny mitandrina ny fahasalamana satria rehefa antitra vao tena mivaly avokoa ny tsy fahamalinana tamin'ny fampiasana vatana sy ny fandanjalanjana ny sakafo.

Fanomanana fakana aina

Ny "retraite" dia fangalana aina tanteraka. Izany hoe efa nahavita be tamin'ny sehatry ny asa ny olona iray ka mianoka izay efa nisasarany sisa. Ny fiainana sarotra eto Madagasikara no mahatonga ny antitra mbola voatery miasa, satria matetika dia kely loatra ny fisotroan-dronono raisina. Ny zanaka rahateo samy manana izay manahirana azy any amin'ny tokantranon'izy ireo tsirairay avy. Raha azo atao dia ahena ny ora iasana raha mbola tsy maintsy miasa. Ampitomboina ihany koa ny fialan-tsasatra. Miha-mihena mantsy ny herim-batana ka manantona hoazy ireo karazan'aretina mety hitondra any amin'ny fahafatesana.

Lire la suite

Articles Similaires