• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Huffington Post
Image
Sexualité & Mariage

Mangidihidy na mavaivay rehefa mampiasa fimailo : inona no antony ?

03/10/2023 09:55 © Moov.Mg

Anisan’ny fomba fanabeazana azo antoka indrindra ny fampiasana fimailo. Ity farany irery ihany koa moa no fomba fiarovan-tena amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Maro nefa ny olona mahatsapa mangidihidy, mavaivay… rehefa mampiasa fimailo. Inona ary ny anton’izany tsy fahazakana ny fimailo izany ary inona no vahaolana azo entina amin’izany ?

Ny antony mahatonga tsy fahazakana mampiasa fimailo

Raha ny tena marina dia tsy ny fampiasana fimailo loatra no tsy zaka fa ny singa iray amin’ny fanamboarana azy, dia ny « latex » izany. Ny « latex » dia akora iray azo avy amin’ny ditin’ny hazo antsoina hoe « Hevea brasiliensis » na « arbre à caoutchouc ». Mety miteraka « allergie » amin’ny olona maro ny « latex » ka izay no mahatonga ilay tsy fahazakana mampiasa fimailo. Izany hoe ny fimailo vita amin’ny « latex » izany no misy tsy mahazaka.

Ahoana ny fomba fisehon’ny tsy fahazaka fimailo misy « latex » ?

Samy manana ny toe-batany ny olona tsirairay ary tsy voatery mitovy ny fomba fisehon’ny tsy fahazakana fimailo misy « latex » amin’ny rehetra. Mety tsy mahazaka izany ny olona iray raha ahitana fambara toy ny hoe mivaramena, mangidihidy na misy « eczéma » eo amin’ny faritry ny hoditra mifampikasoka amin’ilay fimailo misy « latex ».
Ho an’ireo tena tsy mahazaka ilay « latex » dia mety hampietsika ny aretina sohika na ihany koa hampisy fivontosana maha sempotra ao amin’ny foton’ny tenda ny fampiasana ny fimailo misy « latex ». Mety hitarika « choc anaphylactique » izay maha safotra ihany koa izany tsy fahazakana « latex » izany.
Amin’ny ankapobeny moa dia vao mahatsapa ilay mangidihidy na « eczema » amin’ny hoditra rehefa mampiasa fimailo misy « latex » ny olona iray dia manantona mpitsabo na tsy mampiasa izany intsony. Vitsy noho izany no tratr’ireo fahasarotana ateraky ny « allergies au latex » voalaza ireo raha mikasika ny fampiasana fimailo manokana.

Inona no vahaolana azo aroso amin’ny tsy fahazakana fimailo misy « latex » ?

Tsy misy vahaolana manoka afaka hitsaboana ny tsy fahazakana ny fimailo misy « latex » satria efa ao amin’ilay olona mihintsy ilay « allergie au latex ». Ny fomba azo antoka indrindra hisorohana izany dia ny tsy fampiasana ireo karazana fimailo misy « latex » intsony. Efa misy eto amintsika moa ny fimailo tsy misy « latex ».
Azo jifaina eny amin’ny farmasia, eny amin’ny tranombarotra lehibe na ihany koa eny amin’ireo fivarotana amin’ny mpaninjara solika izy ireny. Marihana moa fa mbola vitsivitsy ihany izany karazana fimailo tsy ahitana « latex » izany ary lafo kokoa ny vidin’izy ireny raha mitaha amin’ireo fimailo tsotra.

Lire la suite

Articles Similaires