• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Smp
Image
Sexualité & Mariage

Lehilahy mitaiza irery ny zanany : Mahavita mihoatra lavitra ny vehivavy !

26/09/2023 11:52 © Moov.Mg

Raha ny vehivavy mazàna no ilaozam-bady, tsy azo adinoina fa misy ihany koa ireo lehilahy mizaka irery ny zanany : maty vady, nilaozan-tsakaiza na nisafidy ny hitaiza irery tsotr'izao. Be fitiavana sy herim-po ireo lehilahy mitaiza irery ny zanany, na dia toa hafahafa amin'ny mason'ny besinimaro aza izany.

Fandavan-tena

Samy voatondro molotra eny amin'ny fiaraha-monina avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy mitaiza irery ny zanany (père/ mère célibataire). Heverina fa tsy mahay manabe ny zanany izy ireny satria mila ray sy reny ny fitaizana. Matetika nefa, tsy fidiny ho an'izy ireny ny zava-misy.
"Teo amin'ny faha-7 taonan'ny fanambadianay no fantatro fa mampirafy ahy hatry ny ela ny vadiko. Niezaka ihany aho namono sofina tamin'izay efa feo miely rehetra. Rehefa tsy nody an-trano matetika intsony ramatoa vao tsy lefitro izany. Nanomboka ihany koa ny tabataba lava izay nankarary sy nampihemotra ireo zanakay tany am-pianarana. Rehefa noresahiko izy dia nilaza fa sady kely karama noho izy aho no mankaleo azy ny mitaiza ny iray amin'ny zanakay izay manana fahasembanana. Ny tena nampalahelo dia niaro azy avokoa na ny havany na ny fiaraha-monina : toy ny rariny ny fitadiavany fahafinaretana any ivelany sy fiainana tsaratsara kokoa. Mbola tena sarotra ihany koa ny raharaha teny amin'ny fitsarana satria manome vahana ny vehivavy ny eny. Azoko ireo zanako mianadahy na dia nandaniako volabe aza. Dimy taona izay no niandraiketako irery azy ireo, tsy nisy ny reniny na vehivavy hafa", hoy ny namana iray.
Rehefa misy tokoa ny disadisa eo amin'ny mpivady dia ny lehilahy foana no mahazo tsiny. Hevitra raiki-tapisaka eo amin'ny fiaraha-monina izany. Ireo lehilahy misafidy ny hanokan-tena ho an-janany dia tena manana herim-po mendrika ho deraina. Mifoha maraina sy miari-tory izy ireo mikarakara ny tenany sy ireo zanany. "Tsy manana mpanampy aho. Ny lamba rehetra kosa dia efa misy mpanasa isaky ny sabotsy. Ny fotoanako no ezahiko alamina hahafahako mikarakara ny ao an-trano. Ny atoandro aho no misakafo any am-piasana, ka ireo zanako dia manao cantine. Tena mifankahazo am-po izahay telo mianaka kely satria mifanampy amin'izay rehetra atao : faly ery aho fa na dia tery aza ny fotoana dia sady manome fitiavana an-janako no mampianatra azy ireo izay raharaha kely tokony hay ao an-tokantrano. Ny reniko no mandalo rehefa faran'ny herinandro manao izay vitany, indrindra amin'ny fiantsenana. Tsy azoko lazaina hoe mora ny tsy misy renim-pianakaviana, saingy vita rehefa atrehina", hoy hatrany ilay namana mitaiza irery ny zanany.

Tena tsy mila vehivavy ve ?

Tsy azo lavina fa ilaina tokoa ny vehivavy, na eo amin'ny fikarakarana tokantrano na eo amin'ny tambitamby. Tsy azo teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza nefa ny fiarahan-dalana amin'ny fiainana. Tsy izay lehilahy rehetra maty vady na nisara-panambadiana izany no hiverina hanambady. Misy ireo misafidy hifantoka amin'ny zanany. Tsy azo lavina mantsy fa tsy voatery ho tian'izay ho vadiny ny ankizy tamin'ny vady voalohany.
"Feno loatra ny fandaharam-potoanako, ary tsy tiako ho simban'ny olon-kafa izay tsy fantatro izay ho afitsony ny fifandraisanay telo mianaka. Efa nandinika ela tokoa aho. Na dia fantatro aza fa tsy voatery ho ratsy ny vehivavy rehetra dia tsy maharisika ahy ny hanambady indray. Tsy laviko fa misy tokoa ny filàna ara-nofo, amin'ny maha-olombelona, saingy adino eny izany rehefa mahita ny fifalian'ny ankizy sy manao fanatanjahan-tena. Tsoriko ihany koa fa mbola "blessé" tamin'ny zava-nitranga aho ka toa mbola rikoriko izany rehefa mieritreritra vehivavy. Raisiko amin'ny lafy tsarany daholo nefa ny fiainana mba hahatsapan'ny zanako fahasambarana na tsy tonga lafatra aza ny fiainanay", hoy hatrany ilay ranamana.
Mety maro tokoa ny mihevitra fa tsy mahazaka ny "irery" ny lehilahy. Ny zava-misy sy ny toe-tsaina nefa no tena mamaritra izany. Tsy voatery fampijalian-tena akory ny tsy fikasihana vehivavy, satria misy amin'ireny lehilahy tokan-tena ireny no efa nizaka ny mafy indrindra ka tsy te haratra intsony.

Eken'ny fiaraha-monina ve ny ray tokan-tena ?

Araka ny efa voalaza tetsy ambony, masiaka ny fiaraha-monina satria maro ireo hevi-draikitra (diso) mikasika ny fanambadiana.
"Aleoko lavitra mitaiza irery ny zanako toy izay hijanona ao anaty tokantrano feno fiatsarambelatsihy. Hatramin'izao mantsy dia mbola misy manome tsiny ahy ihany hoe tokony nijanona tamin'ny vadiko ihany aho na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny ditrany. Eny, mety tsy hitovy amin'izay zana-bahoaka tokoa ny zanako satria tsy manana neny mba hihantana sy hampiakanjo. Izao nefa izy ireo dia efa mnahatsapa tsara fa ny fitiavana no fototry ny zava-drehetra. Tena tia i dada ka ataony daholo na asam-behivavy na asan-dehilahy.", hoy ilay ranamana. Raha ny hevitry ny fiaraha-monina izany, diso izy nisaotra ny vadiny, satria na nanana ny fahalemeny aza ity farany dia tokony nahavita nanampy azy amin'ny fikarakarana ny ankizy. Tsy mora ny ady atrehina saingy samy manana ny fanabeazana tiany ampitaina amin'ny zanany ny tsirairay.
Tsy mahasoa ny ankizy tokoa ny miaina anaty tokantrano mikorontana, indrindra raha mitabataba matetika ireo ray aman-dreny ka hitan'izy ireo fa tena tsy mifanaraka intsony. Ny tena tsara dia mifandamina ny mpivady ka misafidy ny hilamina tsara mba tsy hampikorontana ny ankizy. Raha tsy ahitam-bahaolana kosa nefa dia tsara kokoa aza ny mifampi-tsodrano. Tsy vitsy mantsy ireo mpivady mahavita mifampikasi-tanana sy mifamosavy mihitsy aza rehefa samy tsy mahazaka intsony nefa tsy mety tapa-kevitra ny hiala ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires