• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Sexualité & Mariage

Fanabeazana aizana : mandaitra tokoa ve ny « méthode du retrait » ?

21/09/2023 11:31 © Moov.Mg

Maro ny mpivady no tsy resy lahatra amin’ireo fanabeazana aizana misy fanafody ka mitady fomba natoraly tsy mahabevohoka. Anisan’ireo fomba natoraly azo atao ny « méthode du retrait », fantatry ny maro amin’ny hoe « tsy alefa any ». Fa inona tokoa moa izany « méthode du retrait » izany ? Inona avy ny lafy tsara sy ny lafy ratsy ny fanaovana izany ?

Inona no atao hoe « méthode du retrait » ?

Ny méthode du retrait dia fomba fanabeazana aizana natoraly, izany hoe tsy mampiasa fanafody na fitaovana hisorohana ny vohoka tsy niriana. Miavaka kely amin’ireo karazana fanabeazana aizana hafa moa izy ity satria ny lehilahy no mampihatra izany mandritra ny firaisana ara-nofo. Ny méthode du retrait dia ny tsy fandefasana ny ranon’aina hiditra ao amin’ny fivaviana. Izany hoe havoaka (retrait) ny ranon’aina fa tsy alefa miditra any anatin’ny fivaviana rehefa miray ny mpivady. Raha toa ka voahaja avokoa ny fepetra takiana amin’ny fanaovana méthode du retrait dia mahomby 96% isan-jato ity fanabeazana aizana natoraly ity.

Ahoana ary ny fepetra arahana mba handaitra ny méthode du retrait ?

Rehefa miray ny mpivady dia avoaka amin'ny fivaviana alohan’ny hahatongavan'ny ranon'aina ny filahiana mba tsy hisy tsirin'aina afaka hitambatra amin’ny « ovule ». Io moa no antoka lehibe indrindra mampahomby ity fomba fanabezana aizana ity ka mitaky indrindra ny fahafehezan-tenan’ny lehilahy izany.
Rehefa alohan’ny hanao firaisana dia mila mivalan-drano ny lehilahy mba hamoahana ny tsirin’aina izay mety tavela ao anatin’ny lalana fandehanan’ny ranon’aina ao amin’ny filahiana. Raha toa ka efa avy niray ara-nofo, ka mbola te hanohy ihany, dia mila misasa aloha ny lehilahy. Izany dia mba hanesorana ny ambina ranon’aina (sperme) na tsirin’aina (spermatozoïdes) izay mety tavela eo amin’ny filahiana sy ny manodidina azy sao tafiditra indray anatin’ny fivaviana.

Ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ny méthode du retrait

Maro ireo lafy tsaran’ny tsy fampidirana ny ranon'aina any amin'ny fivaviana :
-Fomba fanabeazana aizana natoraly ka tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ;
-Mety na tsy mbola niteraka aza ;
-Tsy mila hoe manisa andro na miandro hoe misy fadimbolana vao afaka manao azy ;
-Mety ho an’ny mpampinono satria tsy misy fiantraikany amin’ny fatran’ny rononon-dreny vokarin’ny vatana.
Misy ihany koa ireo lafy ratsiny na mety manahirana amin’ny fanaovana méthode du retrait :
-Tsy miaro amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo ;
-Manahirana ny lehilahy satria manapaka na manelingelina ny fahafinaretana ;
-Kamo ny lehilahy sasany rehefa asaina misasa satria manapaka ny « feeling » ;
-Tsy mandaitra ary mety maha bevohoka ny métohode du retrait raha misy tsy voahaja ireo fepetra takiana amin’ny fanaovana azy.

Lire la suite

Articles Similaires