• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Travelspock
Image
Sexualité & Mariage

Mamono, mandratra tena, mamotika entana rehefa tezitra : Endrika aretin-tsaina sy famoizam-po ...

21/09/2023 14:49 © Moov.Mg

Tsy vitsy ny olona "mirehitra" rehefa tezitra izay. Ao ireo mikasi-tanana, mandratra tena na koa mamotika entana ao an-trano. Mety azo lazaina fa fihetsika "azo leferina" izany raha tena misy antony manokana nahatonga ilay fahatezerana. Mila tsaboina nefa izany raha miverimberina satria mety hiafara amin'ny famonoana olona na fahafatesana mihitsy aza.

Tsy fahaizana mifehy fahatezerana : Olona tia mibaiko

Ny olona tia mibaiko sy te hanana fahefana amin'ny zavatra rehetra matetika no tena tsy mahay mifehy ny hatezerana. Raha vao misy tranga tsy mifanaraka amin'ny sainy mantsy dia toa te hitroatra mafy ka lasa mampiseho fihetsika tsy voahevitra. Misy tokoa ireo tsy mahafehy tena intsony ka rehefa mipoaka ny hatezerana dia sahy miteny ratsy sy mampihatra herisetra, na ao an-tokantrano izany, na any am-piasana, na any amin'ny toeran-kafa. Mety hahavita zavatra tsy eritreretina izy ireny, toy ny fikasihan-tanana olona eny an-dalana na fandomana olona amin'ny fiara. Rehefa tsy mahafehy tena ohatra dia mety haharay zavatra mavesatra na maranitra amelezana ny eo akaiky. Misy kosa ireo mahavita mamosavy sy mamorika ny namany rehefa tena hitany fa tsy misy azo atao mora foana.
Amin'ny ankapobeny, heverin'ilay olona manao "explosion de rage" fa handray lesona ka ho fay ilay olona namoha ny hatezerany. Porofoiny amin'ny alalan'ny famotehana zavatra na fandratrana fa tsy azo kitihana sy dikain-teny izy. Izany moa dia vokatry ny toe-tsaina te hifehy ny manodidina, amin'ny lafiny rehetra. "Dictateur" moa no iantsoana ireo olona te ho to-teny amin'ny zavatra rehetra, izany hoe efa manana ny heviny manokana izay tsy maintsy ho tanterahiny izy na dia "mody" mangata-kevitra amin'ny hafa aza. Tsara koa nefa ny manamarika fa misy ireo tsy sahy mikasi-tanana ka ny tenany ihany no ratrany. Misy mahavita mandona ny lohany amin'ny rindrina na mampiasa zava-maranitra hanatahana ny tanany.
Ireo miara-monina (vady aman-janaka na ray aman-dreny) amin'ilay tsy mahafehy fahatezerana moa mazàna dia mahatanty ireo fihetsika mahery na vava tsy ambina, saingy ireo mpiara-miasa na fianakaviana na namana no mety hanapaka ny fifandraisana avy hatrany. Tsy vitan'izany fa raha mahakasi-tanana olona (eny fa na dia vady aza) dia mety higadra.

Fifehezana fahatezerana : Mila ianarana

Tsy tokony jerena fotsiny ny olona tsy mahay mifehy fahatezerana. Araka ny efa voalaza etsy ambony, mety hahavita zava-doza izy ireny, na ao an-tokantrano na any an-toeran-kafa.

Fifampiresahana

Ny dingana voalohany dia ny miresaka amin'ilay olona voakasika rehefa tony tsara iny izy. Ampahafantarina azy ny mety ho vokatry ny teny marary sy ny fihetsika tsy voahevitra rehefa tezitra izy. Tsy izany ihany, fa ezahina fantarina izay ratra anatin'ilay olona. Misy amin'izy ireny mantsy no tsy ampy fitiavana teo anivon'ny ray aman-dreny, na nisedra ady mafy izay nanaovan'ny hafa tsinontsinona azy, na mamoy fo tsotr'izao. Ao ihany koa ireo te haneho hevitra na te hiova fiainana saingy tsy sahy miteny, ka ny fihetsika na fiteny mahery no anehoany ny tsy fankasitrahana ny zava-misy. Tsy maintsy manaiky ihany koa fa tsy voatery hanao izay hahafaly azy avokoa ny olona rehetra, eny na dia olona akaikin'ny fo aza.

Fitsaboana

Tsy vita mora ny manova olona mora tezitra sy tsy mahafehy fahatezerana. Na dia misy olona akaiky manampy aza, tsara ny manantona manam-pahaizana manokana, toy ny "psychologue". Misy fizahana manokana ahafantarana izay tena mahatonga ilay olona manao fihetsika mahery na lasa miteniteny foana rehefa tezitra. Raha leo monina ilay "marary" dia tsara kokoa ny manorina fiainana vaovao. Raha terena hijanona mantsy ilay olona dia mety hahavita hamono na handratra ilay olona efa tsy tiany hiara-honina aminy intsony. Raha "pervers narcissique" kosa ilay olona dia tsy misy hevitra azo raisina afa-tsy ny manalavitra azy. Azo atao tsara ny mampihatra ireo lesona "développement personnel" mba hampiverina ny fahatokisan-tena. Ny "marary" tsirairay mantsy dia mila manana fikasana hiova sy fahavononana hampandefitra ny hampom-po.
Tsara ny manamarika fa rehefa tena miha-mafy ny herisetra ataon'ilay olona, izany hoe mivadika "cirse" mihitsy, dia tsara raha manantona Psychiatre avy hatrany. Toy izany ihany koa raha mandratra tena ilay olona. Mety hisy ny fanindronana "calmant" azy mba hampitsahatra ilay fihetsehana mahery. Tsy adino ny fizahana akaiky ahafantarana raha mila tsaboina amin'ny toerana mihidy mandritra ny fotoana fohy na maharitra.

Fakan'aina

Mila maka rivotra matetika ny olona mora tezitra. Matetika mantsy izy ireny no "stressé" ka toa mahasosotra avokoa izay rehetra manoloana azy. Azo atao tsara ohatra ny mivoaka kely ny renivohitra isaky ny faran'ny herinandro, sady manomana vola manokana hanaovana vakansy any amoron-tsiraka indray mandeha isan-taona farafahakeliny.
Izany moa dia hahafahan'ilay olona manala ny rarin-tsainy sy ireo tebitebiny, indrindra raha sady miatrika olana goavana.

Famelana ny fahadisoan'ny hafa

Raha nisy olona heverina fa nanafintohina na nanimba ny fiainana mihitsy aza, tsara ny mamela ny fahadisoan'izy ireny. Ny fitehirizana lolompo mantsy dia manimba tanteraka. Tsy vitsy ireo olona manana alahelo amin'ny hafa no manararaotra manamaivana ny fony rehefa tezitra, hany ka manimba zavatra sy mampihatra herisetra. Raha azo atao, adinoina avokoa ireo tranga manafintohina, na dia tsy mora aza izany indraindray. Tsy voatery hifandraika amin'ny fivavahana ny famelana ny hafa, satria fanapahan-kevitra manamaivana ny fo sy mampandroso izany.

Lire la suite

Articles Similaires