• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Etudiant Trendy
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny vehivavy « frigide »

12/09/2023 09:25 © Moov.Mg

Vehivavy tsy mazoto manao firaisana ara-nofo, tsy mahazo fahafinaretana amin’ny fanaovana firaisana… Anisan’ireo anton-javatra miteraka olana eo amin’ny fiainan’ny mpivady ny « frigidité » eo amin’ny vehivavy. Fa inona tokoa moa no atao hoe vehivavy « frigide » ? Inona no antony mahatonga izany ary inona no vahaolana azo entina amin’izany ?

Inona no atao hoe vehivavy frigide ?

Ny vehivavy frigide dia ireo vehivavy tsy mba misy fientanentanana ara-nofo, izany hoe tsy mba mahazo fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo amin’ny vadiny. Maro tokoa ny vehivavy tratran’izany nefa tsy sahy miteny satria matahotra sao hampikorontana ny tokantrano. Miseho amin’ny fomba maro noho izany ny frigidité eo amin’ny vehivavy.
Misy ireo vehivavy frigides miferotraina na kiriko vao mieritreritra firaisana ara-nofo ka tsy manaiky hiray mihintsy. Misy kosa ireo manaiky tsy fidiny nohon’ny fitsinjovana ny fanambadiany eny na dia tsy mahazo fahafinaretana mihintsy aza. Matetika ny vehivavy frigide no maina mandritra ny firaisana ara-nofo amin’ny vadiny. Raha izay no mitranga dia vao maika manaintainana ny miray ka mampihena hatrany ny fahazotoana hanao izany.
Mahatsiaro fijaliana ara-batana, fa indrindra ara-tsaina ny vehivavy frigide eo anivon’ny tokan-trano. Mahatsiaro tena ho menatra izy satria tsy mitovy amin’ny olona rehetra manana fientanentanana ara-nofo sy mankafy ny firaisana ara-nofo. Maro noho izany ny vehivavy frigide no lasa tsy mahatoky teny sy manana rarin-tsaina vokatr’izany fahalainany hiray ara-nofo amin’ny vadiny izany. Anisan’ireo toe-javatra mampisy fikorontanana sy disadisa eo amin’ny mpivady ihany koa moa izany.

Inona no antony mahatonga ny vehivavy ho frigide ?

Maro ireo antony mahatonga ny vehivavy ho frigide. Mizara roa lehibe moa izany, dia ireo antony ara-tsaina sy ireo antony ara-batana.

Ireo antony ara-tsaina mahatonga ny frigidité :

-Trangan-javatra taloha izay nanimba ny saina toy ny fanolanana ;
-Fahamenarana na tahotra tsy hahafapo ny ankilany ;
-Rarin-tsaina ;
-Fifamaliana lava eo amin’ny mpivady na tsy fahaizan’ny lehilahy manome fahafinaretana ;

Ireo antony ara-batana mety mahatonga ny vehivavy ho frigide :

-Fihinanana fanafody mampatory (somnifère) na mitsabo ny rarin-tsaina (anti-dépresseurs) ;
-Fanabeazana aizana ;
-Fikorontanan’ny hormones, indrindra mandritra ny fitondrana vohoka sy ny ménopause ;
-Vehivavy avy niteraka.

Ireo vahaolana afaka manampy ny vehivavy frigide

Marihana fa tsy aretina ny frigidité fa azo sokajiana ao anatin’ireo atao hoe « troubles de la sexualité ». Tsy fitsaboana noho izany no ilain’ny vehivavy fa fanohanana sy torohevitra afaka manampy azy hihoatra ireo sakana mahatonga ilay frigidité.
Ny fomba voalohany atao noho izany dia ny mamantatra ireo antony mahatonga ilay vehivavy frigide. Azo atao tsara ny manantona mpitsabo manokana mikasika ny fananahana (sexologue) mba hiaraka hamantatra izany sakana izany. Izy ihany koa no afaka manome vahaolana hiadiana amin’izany. Azo ataon’ny mpivady ihany koa ny mifampiresaka mba hiaraka hamaha ny olana mahatonga ilay frigidité.
Manampy betsaka hidiana amin’ny frigidité ihany koa fampiatoana ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady mandritra ny fe-potoana ifanarahana. Izany dia manampy ny vehivavy frigide mba hitony ara-tsaina ka hanaiky miandalana ny hiray amin’ny vadiny rehefa tsapany fa tsy atao an-tery ny firaisana.
Mila mianatra mamantatra ny vatany ihany koa ny vehivavy frigide. Azo ataony irery moa izany, ohatra amin’ny alalan’ny fianarana « masturbation ». Mety tsy ho mora ny fanaovana izany amin’ny voalohany fa mila faharetana sy filaminan-tsaina. Rehefa mahatsapa fahafinaretana izy dia ho mora kokoa aminy ny manantona ny vadiny sy manoro ity farany ny fomba atao hahazoana fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires