• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Vie Des Reines
Image
Sexualité & Mariage

Tokantrano : Ireo olana matetika miteraka disadisa eo amin’ny mpivady

06/09/2023 10:18 © Moov.Mg

Rehefa mitokan-trano ny olon-droa dia tsy maintsy misy foana ny adiady kely eo amin’ny fiainana andavanandro. Mandalo ary miravina hatrany moa izy ireny amin’ny ankapobeny. Fa inona tokoa ary ireo olana matetika miteraka disadisa amin’ny mpivady ? Inona kosa ireo vahaolana azo aroso amin’izy ireny ?

Matetika miteraka disadisa amin’ny mpivady ny resa-bola

Ny resa-bola no isan’ireo antony voalohany mampiady sy miteraka disadisa matetika eo amin’ny mpivady ao an-tokantrano. Mazana moa rehefa tsy maharaka ny vola ao an-trano no mampisy ny fifamaliana. Misy tokoa ireo mpivady no tsy miray saina amin’ny fitantanana ny vola ka miteraka fifandirana izany. Lasa misy fifandatsana raha toa ka tsy mampidi-bola ny iray. Misy ihany koa ny tsy fifampitokisana amin’ny mety ho fandaniana ny karama na ny fitantanana ny vola.
Mila miray saina ny mpivady mikasika ny fitantanana ny vola miditra sy ny vola mivoaka ao an-tokantrano. Izany hoe, mametraka teti-bola iraisaina sy hifanekena mba hisorohana ny disadisa noho ny resa-bola. Fantarina ny vola ilaina amin’ny fikarakarana ny ankohonana ary mametraka vola ihany koa ho an’ny filana manokana eo amin’ny mpivady. Raha azo atao dia samy miezaka mampidi-bola ny lahy sy ny vavy. Isan’ireo antony mahatonga ny fifandirana amin’ny resa-bola tokoa ny hoe ny iray ihany no miasa eo amin’ny mpivady, indrindra rehefa tsy ampy ny vola.

Mampisy fifandirana eo amin’ny mpivady ny fitaizana ny ankizy

Matetika miteraka fifamaliana sy disadisa eo amin’ny mpivady ny fitaizana ny ankizy. Tsy voatery mitovy hevitra foana tokoa mantsy ny ray aman-dreny mikasika ny fomba fanabeazana ny zanaka. Ny iray mety masika sy entitra, ny iray mety ho malefaka kokoa. Mety mahatonga fifamaliana matetika tokoa izany tsy fiombonan-kevitra izany ao anaty tokantrano.
Ny vahaolana hisorohana izany fifandirana izany dia ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Mila mitady marimaritra iraisana izy ireo amin’ny fomba fitaizana ny ankizy. Samy mikatsaka ny mahasoa sy ny mahatafita ny zanaka tokoa ny ray aman-dreny ka miainga amin’izany faniriana izany no hamaritana miaraka ny fomba mahomby hitaizana ny ankizy.

Ny fanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra

Maro ny adidy sy andraikitra mila sahanina rehefa anaty tokantrano. Isan’ireo zavatra mampifamaly sy mampisy disadisa eo amin’ny mpivady ny fanatanterahana azy ireny. Manomboka amin’ireo raharaha ao an-tokantrano moa izany. Matetika mifanjana ny mpivady amin’ny fanaovana ny raharaha sy ny fikarakarana ny zazakely. Ankoatra izay, misy ireo adidy ivelan’ny ankohonana mila sahanina, toy ny adidy amin’ny fianakaviana…
Mba hialana amin’ny disadisa ateraky ny adidy sy ny andraikitra dia mila mifampiresaka sy mifandefitra ny mpivady. Miezaka hatrany mifanohana amin’ny lafin-javatra rehetra ao an-tokantrano. Hifanampiana ny raharaha, ny fanaovana ny adidy sy ny fitadiavam-bola raha toa ka tsapa fa tsy ampy ny fidiram-bola iray. Fadiana ny mifanambany sy ny manao terivay manta amin’ny vady. Tsy adinoina ny manome fotoana fakana aina sy hialana voly ny vady, na ny lahy na ny vavy, mba hikolokoloana ny fitiavana sy hampilamina hatrany ny tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires