• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsanté
Image
Sexualité & Mariage

Fahasarotam-piaro : ireo fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mpivady

04/09/2023 14:38 © Moov.Mg

Anisan’ireo toetra entina maneho fitiavana ny fahasarotam-piaro. Rehefa diso tafahoatra kosa nefa izany dia mety hitarika hatrany amin’ny fisarahana eo amin’ny mpivady. Fa inona tokoa ary ny fiantraikan’ny fahasarotam-piaro diso tafahoatra eo amin’ny fiainan’ny mpivady ?

Mahatonga fangejana eo amin’ny fiainan’ny mpivady ny fahasarotam-piaro

Ny olona saro-piaro dia tsy manana fahatokisana ny vadiny. Matetika izany tsy fahatokisana izany dia nohon’ny tsy fahatokisan-tena ao amin’ny ka manjary matahotra izy sao hiala aminy ny vadiny. Mitebiteby izy sao hiaraka ary hanaraka olona hafa ny vadiny. Ireo tahotra ireo dia manosika ilay olona saro-piaro hangeja sy hametra ny vadiny amin’ny zavatra maro, toy ny firesahana na fihaonana amin’ny namana, fivoahana ny trano, fandehanana miasa… Lasa mahatsiaro tena toy ny gadra sy very fahafahana ny olona iharan’ny fahasarotam-piaro ka mety miteraka fankahalana ny vadiny izany.

Mitarika herisetra eo anivon’ny tokantrano ny fahasarotam-piaro

Maro tokoa ireo olona saro-piaro diso tafahoatra no tsy mahavita mifehy ny hatezerany ka lasa mampihatra herisetra ao an-tokantrano. Raha toa ka ninia nanao ilay zavatra namerany azy ilay olon-tiany dia hanamparany ny hatezerany. Marihana moa fa samy voakasik’izany avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy. Tsy voatery ny fikasihan-tanana ihany moa izany herisetra izany fa misy ihany koa ny herisetra amin’ny teny marary sy ny fandemen-tsaina.

Miteraka tebiteby sy rarin-tsaina eo amin’ny mpivady

Ny fahasarotam-piaro diso tafahoatra dia mety miteraka tebiteby sy rarin-tsaina eo amin’ny mpivady. Ilay olona saro-piaro dia mamorona zavatra tsy misy ao an-tsaina ka mahatonga tebiteby ao aminy rehefa miresaka aman’olona na mivoaka ny trano ny vadiny. Etsy andaniny kosa ilay iharan’ny fahasarotam-piaro manjary lasa matahotra sy miferotr’aina vao manao zavatra iray. Ny mpivady mihintsy noho izany no lasa miaina anaty fitaintainana ka samy tratry ny rarin-tsaina rehefa mandeha ny fotoana.

Ny fomba atao hialana amin’ny fahasarotam-piaro

Azo atao tsara ny miala amin’ny fahasarotam-piaro diso tafahoatra. Toy ny toetra ratsy rehetra dia afaka ialana izany. Ny fifampiresahana no fomba voalohany hatongavana amin’izany. Miresaka am-pitoniana ny mpivady ary samy milaza ny tahotra sy ny zavatra tsy zaka ataon’ny iray. Mila manamboatra saina ihany koa ny olona saro-piaro mba hanana fahatokisana ny vadiny. Mety tsy mora ny fanatanterahana izany nefa kosa mila fahatokisan-tena sy finiavana ny hiova.

Lire la suite

Articles Similaires