• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsante
Image
Sexualité & Mariage

Tsy misy atahorana ve ny manao firaisana rehefa bevohoka ?

31/08/2023 08:50 © Moov.Mg

Maro ny fanontaniana manitikitika ny mpivady rehefa bevohoka ny vehivavy, indrindra raha miandry ny zaza voalohany. Anisan’izany ny hoe : mahazo manao firaisana ve ny vehivavy bevohoka ? Ny valiny dia « Eny » raha toa ka tsy misy antony manokana andraran’ny mpitsabo izany.

Ireo tombontsoa azo avy amin’ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka

Ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka salama tsara dia tsy misy atahorana ny manao firaisana ara-nofo. Maro tokoa ireo tombontsoa azo avy amin’ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka :
-Manatsara sy manomana ny taovam-pananahan’ilay vehivavy amin’ny fiterahana ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka, indrindra rehefa mipaika ny 3 volana fahatelo ny fitondrana vohoka. Lasa « souple » sy mora misokatra kokoa ny vozon’ny tranon-jaza noho ilay hormone atao hoe « prostaglandine » entin’ny tsirinaina (sperme). Mihena noho izany ny tahan’ny mety ho fahatatahana eo am-piterahana ;
-Manome fitoniana ho an’ny vehivavy bevohoka ny fanaovana firaisana, indrindra raha tonga amin’ilay atao hoe « orgasme ». Ity farany moa no faratampon’ny fahafinaretana ho an’ny vehivavy rehefa manao firaisana ara-nofo. Mamokatra hormone atao hoe « sérotonine » ny vatana mandritra ny orgasme. Ny sérotonine dia miantoka ny fahitan-tory ary manatsara ny torimaso ho an’ilay vehivavy. Rehefa akaiky tokoa mantsy ny andro haterahana dia lasa ratsy torimaso ny bevohoka ;
-Mitondra fahatokisan-tena ho an’ny vehivavy bevohoka ny fanaovana firaisana. Mahatsiaro tena ho mbola tiana sy ilain’ny vadiny hatrany izy na niova tanteraka aza ny vatany sy ny endriny. Mazava ho azy fa mahatsara ny fitiavan’ny mpivady ihany koa izany satria mahatsapa fa tsy atao ankilabao ny rain-jaza mandritra ny fotoana fitondrana vohoka.

Oviana kosa no tsy tokony hanao firaisana rehefa bevohoka ?

Arak’ireo voalaza teo aloha ireo dia maro ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka. Misy ihany koa nefa ireo antony samihafa tokony hifadiana ny fanaovana firaisana eo amin’ny vehivavy mitondra vohoka. Tsy tokony anao firaisana ity farany raha toa ka :
-Noraran’ny mpitsabo mampisafo azy nohon’ny antony manokana ara-pahasalamana ;
-Mandindona ho afa-jaza ;
-Mandeha rà mandritra na aorian’ny fanaovana firaisana ;
-Misokatra ny vozon’ny tranon-jaza amin'ny fotoana tsy tokony mbola hahaterahana ;
-Mahatsapa manaintaina mampiahiahy mandritra na aorian’ny firaisana ;
-Vaky ny ranon-dohany.
Mila manantona mpitsabo avy hatrana raha mahatsikaritra fambara mampiahiahy mandritra na aorian’ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka.

Ireo fepetra tsara arahana amin’ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka

Amin’ny ankapobeny moa dia tsy dia ilaina fiovana be loatra eo amin’ny fahazaran’ny mpivady amin’ny fanaovana firaisana rehefa bevohoka. Tandremana kosa nefa mba tsy ho mahery setra loatra mandritra izany ary tsy manao paozy sarotra ihany koa, indrindra rehefa lehibe ny kibon’ilay vehivavy. Tsy tokony manao firaisana ihany koa ny mpivady raha toa ka misy aretin’ny taovam-pananahana ny lehilahy. Ilaina ny mitsabo tena raha misy mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires