• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ste-Foy Chrysler
Image
Sexualité & Mariage

Findramam-bola amin’ny banky : ireo lafy tsara sy lafy ratsiny

30/08/2023 15:57 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo olona misafidy ny findramam-bola amin’ny banky hanatanterahana ny tetikasany toy fividianana fiara, fampidirana mpianatra, fandehanana miala-sasatra… Misy ny lafy tsarany izany vahaolana izany, nefa maro ihany koa ny lafy ratsiny. ‘Ndeha anie resahana e !

Ireo lafy tsaran’ny findramam-bola amin’ny banky

Antony mahatonga ny olona miroso amin’ny findramam-bola amin’ny banky ireo tombontsoa maro azo amin’izany :

Mahazo ny lelavola ilaina ao anatin’ny andro vitsy

Anisan’ny manintona ny olona hindram-bola amin’ny banky ny fahazoana ilay lelavola ilaina anatin’ny fotoana fohy. Matetika ary moa roa na telo andro aorian’ny faneken’ny banky ny fangatahana findramam-bola dia efa tonga ao amin’ny kaontin’ilay olona ilay vola nangatahina. Raha mila vola haingana noho izany dia anisan’ny manampy betsaka ity vahaolana iray ity.

Misy tolotra maro azo isafidianan’ny mpanjifa

Maro ireo karazana tolotra aroson’ny banky mampindram-bola amin’ny mpanjifa. Izany hoe misy tolotra mifanaraka amin’ny tetikasa ilain’ny mpindrana. Anisan’ireo tetikasa mety hindramam-bola amin’ny banky ny fividianana fiara, fanavaozana ny trano, fanatanterahana tetikasa fitadiavam-bola, fandehanana miala-sasatra… Misy kosa nefa etsy andaniny ireo fepetra takian’ny banky amin’ny fanekena ny findramam-bola.

Fomba famerenam-bola mifanaraka amin’ny fahefan’ny mpindrana

Raha ny eto Madagasikara manokana moa dia miankina amin’ny tetikasa iriana tanterahana sy ny fahafahana mamerim-bola no hamaritan’ny banky ny vola ampindramina. Amin’ny ankapobeny dia tsy manome vola mihoatra ny fahefan’ny mpindrana mamerina izany mihintsy ny banky. Raha ireo banky lehibe moa dia ny olona manana asa raikitra sy mikarama isam-bolana no mahazo findramam-bola amin’ny ankapobeny, ankoatra ny orinasa. Misy ihany koa moa ny banky azo anantonan’ireo olona miasa-tena.

Ireo lafy ratsin’ny findramam-bola amin’ny banky

Mialohan’ny hirosoana amin’ny findramam-bola amin’ny banky dia tsara ihany koa ny mahafantatra ireo lafy ratsin’izany karazana vahaolana izany.

Famerenana vola mandritra ny fotoana maharitra

Mazava ho azy fa mitaky famerenam-bola isam-bola mandritra ny fotoana maharitra ny findramam-bola amin’ny banky. Misy moa ny fifanarahana ataon’ny banky sy ny mpindrana izay mamatotra ity farany amin’ny famerenana ny vola ao anatin’ny fe-potoana nifanarahana. Mety ho amam-bolana fa mety ihany koa aman-taonany maro ny fotoana omena. Mety mitarika fitoriana any amin’ny tribonaly sy figadrana ny tsy fahefana ny volan’ny banky. Raha nisy moa ny antoka napetraka (toy ny trano, fiara, tany, entana samihafa) tamin’ny fotoana nindramam-bola dia mety ho lasan’ny banky izany raha tsy manana anefana ny vola nindramina.

Maha-tototry ny trosa

Maro ireo olona nindrana vola tamin’ny banky no lasa tototry ny trosa rehefa mandeha ny fotoana. Mety miteraka tsy fahampiana ao an-tokantrano tokoa ny fanefana ny vola aloha isam-bolana amin’ny banky. Mety manampy trotraka izany ihany koa ny sedra sarotra samihafa toy ny aretina, ny fisaraham-panambadiana… sy ny toe-javatra maro samihafa tsy ahafahana mandoa ara-potoana ny volan’ny banky. Raha izany no mitranga dia voatery mivarotra fananana, mindram-bola etsy sy eroa ka mety ho simba tanteraka ny fiainana.

Lafo ny saran’ny vola averina

Rehefa mindrana vola amin’ny banky dia misy ny zana-bola averina miaraka amin’ny lelavola voaray. Ankoatra izay moa dia misy ireo karazana vola maro mbola mivesatra amin’ny mpindrana, toy ny assurances, saran’ny antontan-taratasy… mila hefaina. Rehefa kajiana ireo vola tombony mila aloha dia hita fa lafo lavitra nohon’ny vola nindramina ny vola tsy maintsy averina amin’ny banky (miaraka amin'ny zana-bola).

Lire la suite

Articles Similaires