• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Blog Hop'Toys
Image
Sexualité & Mariage

Fitaizana : tsy mety ny mampitaha ny ankizy

29/08/2023 13:33 © Moov.Mg

Maro amintsika ray aman-dreny no zatra mampitaha ny zanantsika, na eo amin’izy mpiray tampo na amin’ny ankizy hafa. Maro ireo vokadratsy mety aterak’izany eo amin’ny sain’ny ankizy. ‘Ndeha ary ho resahina ny tsy mampety ny mampitaha ny ankizy.

Ireo antony mahatonga ny ray aman-dreny mampitaha ny ankizy

Mikatsaka hatrany ny maha tafita sy maha olombanona ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy mora tokoa ny ahatongavana amin’izany. Matetika moa dia lasa miteraka tebiteby sy tsy fahatokisan-tena, indrindra eo amin’ny lafiny fitaizana. Izany indrindra no anisan’ny antony mahatonga ny ray aman-dreny mampitaha ny zanany amin’ny hafa. Raisiny toy ny hoe mampiseho modely na ohatra tsara mila raisina ilay ankizy anaovany fanoharana.
Indraindray ihany koa dia fomba iray entina hanosehana ny ankizy hanao ezaka amin’ny zavatra iray tokony ho vitany. Amin’ny ankapobeny noho izany dia tsy misy eritreritra ratsy ao an-tsain’ny ray aman-dreny rehefa mampitaha ny zanany amin’ny hafa. Mila fitandremana kosa nefa ny fanaovana izany satria mety hanimba ny saina sy ny toetran’ny ankizy.

Inona ary ireo mety ho vokadratsin’ny mampitaha ny ankizy ?

Maro tokoa ireo vokadratsy ateraky ny fampitahana ny zanaka amin’ny ankizy hafa, eny fa na amin’izy mpiray tampo aza.
-Mampihena ny fahatokisan-tena
Rehefa ampitahaina amin’ny ankizy hafa ny zanaka dia toy ny milaza aminy ny ray aman-dreny fa tsy mahay izy na hoe tsy manana toetra mendrika. Izany dia mitarika tsy fahatokisan-tena sy fahakiviana ao amin’ilay zaza satria mahatsiaro tena ho tsy misy ilaina azy izy na hoe tsy mendrika ho tiavina. Mety ho lasa toetra raiki-tapisaka entina mandrapa-lehibeny izany.
-Miteraka fialonana
Ny fanaovana fanoharana na fampitahana eo amin’ny ankizy dia mety hiteraka fialonana, indrindra eo amin’ny mpiray tampo. Mety hieritreritra ilay zaza fa ilay zoky na zandry mahay na mahavita zavatra tsara kokoa nampitahaina taminy no tian’i Dada sy Neny kokoa. Lasa miteraka elanelana sy tsy fifankahazoana eo amin’izy samy ankizy izany nohon’ny fialonana.
-Mitarika fankahalana ny ray aman-dreny
Mahatsiaro tena nohambaniana sy nobatibatiana ny zanaka nampitahaina matetika tamin’ny ankizy hafa. Izany dia mampiforona hatezerana tsikelikely ao am-pony ka farany izy lasa kizitina sy tia mitokatokana. Matetika moa io zaza io dia mitady sy miezaka amin’ny fomba rehetra hisongadina amin’ny zavatra iray mba hahafaly ny ray aman-dreniny na koa handreseny ilay ankizy iray natao hoe « mahay » na « hendry » na « mendrika » … noho izy. Izany fihetsika izany nefa mahazana mety mandratra ny fony ary mahatonga azy hankahala ny ray aman-dreniny.

Lire la suite

Articles Similaires