• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France3
Image
Sexualité & Mariage

Zanaka lahy tratra manao masturbation : Ahoana ny fomba iresahana aminy ?

25/08/2023 08:54 © Moov.Mg

Manomboka eo amin'ny 13 taona eo ho eo ny zazalahy no miha-liana amin'ny fiainana ara-pananahana. Tsy vitsy ireo ray aman-dreny no efa nahatratra "shampoing" sy "mouchoir" teny am-pandrian'ny zanany lahy. Misy kosa ireo tena nahatratra ny zanany nanao masturbation mihitsy. Tsy adino ireo film X mety hita any anaty finday. Ahoana ary ny fomba iresahana aminy ? Sa tsy hiteny na inona na inona ve ?

Education sexuelle

Ilain'ny ankizy sy tanora rehetra ny "Education sexuelle". Rehefa tsy mandray ny andraikiny mantsy ny Ray aman-dreny dia ny namana any ivelany no mandrafitra ny fisainan'ny tsirairay mikasika ny fiainana ara-pananahana. Raha 13 na 15 taona ny zazalahy iray no manomboka manao ny masturabtion sy mijery horonantsary mamoafady, mila fanabeazana ara-pananahana matotra izy.
Raha fantatry ny Ray aman-dreny fa efa miroso amin'ny Masturbation ny zanany lahy, tsy ny mibedy avy hatrany ny vahaolana. Atao izay hahazoana ny fon'ilay ankizy mba hitsotra izay tsapan'ny vatany. Tsy vitsy ireo zazalahy izay matahotra mafy satria entin'ny filàna fotsiny izy ireo fa tsy tena mahafantatra izay ataony marina. Ilaina araka izany "carte sur table" mba hifanakalozan-kevitra. Tsy amporisihina akory ilay ankizy hanohy ny masturbation, saingy ampianarina izy hifehy ny filàny. Raha tsy voafehy mantsy izany dia mety hitarika amin'ny fanolanana ankizivavy izay manodidina azy. Sady tsy fehezina loatra ilay ankizy na eo aza ny fitsipiky ny fiaraha-monina sy ny fiangonana, no tsy avela hanao izay sitrapony ihany koa.
Tsara ho fantatry ny zazalahy tsirairay ny mikasika ny firaisana ara-nofo, izay tsy fangalana fahafinaretana fotsiny ihany fa mety hahabevohoka ilay zazavavy na koa hahazoana aretina. Raha mahatonga vohoka amin'izay olona miaraka aminy izy mantsy dia tsy ho afa-bela ka mety ho voatery hiroso amin'ny fanambadiana aloha loatra. Rehefa mirosoroso ny taona, izany hoe any amin'ny 16 taona any ho any, tsy fahadisoana ny manoro hevitra ny mba hampiasana fiarovana raha tsy maintsy hiroso amin'ny firaisana ara-nofo. Azo atao tsara ihany koa ny miaro ny zanaka amin'ny fanararaotana ara-nofo, indrindra moa fa miha-maro ireo vehivavy lehibe mitady zazalahy anaparan'izy ireo ny filàny.

Ahoana ny fifehezana ny fampiasana finday avolenta ?

Tsy tokony omena finday avolenta ny ankizy latsaky ny 18 taona. Azo atao tsara ny mifandray aminy an-tariby, amin'ny alalan'ireo finday tsotsotra. Azo ampanantenaina tsara ohatra ny ankizy ny amin'ny hahazoany finday avolenta rehefa afaka bakalorea. Na eo aza ny rivotry ny fandrosoana izay toa manery ankolaka ireo ray aman-dreny hividy fitaovana ara-teknolojia ho an'ny zanany, tsara ny mametraka fitsipika mazava.
Antitranterina hatrany ny fangalana ny fon'ireo zanaka, amin'ny alalan'ny fanokanana fotoana ho azy ireo. Ireo ray aman-dreny araka izany no tokony ho naman'ireo zanaka voalohany indrindra. Mba isorohana ny tranga manahirana, ilaina fantatra ireo naman'ny ankizy rehetra, na ny toerana alehan'izy ireo. Zon'ny ray aman-dreny ny mahafantatra ny progaman'ny zanany rehetra na any am-pianarana na amin'ny ora tsy fianarana.
Arakaraka ny kalitaon'ny fanabeazana atolotry ny ray aman-dreny ny zanaka, na lahy na vavy, ny mety hahatsara na haharatsy ny hoaviny. Mora kokoa ho an'ny mpivady tena mifankatia sy mifanaja ny mampita ny fanabeazana ara-pananahana ilaina amin'izao vanim-potoana izao. Ny tena tsara mantsy dia tsapan'ny ankizy fa vokatry ny fitiavana ny firaisana ara-nofo fa tsy fanamparana filàna fotsiny ihany, ka natao ho an'ireo olon-dehibe efa vonona hiahy ny ankohonany.

Lire la suite

Articles Similaires