• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mariage.Com
Image
Sexualité & Mariage

Hikarakara mariage : ireo zava-dehibe mila homanina

17/08/2023 16:40 © Moov.Mg

Anisan’ny fotoana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny mpifankatia ny fikarakarana ny mariage. Tsy mora tokoa izany satria maro ireo pitsopitson-javatra mila jerena mba halavorary ny lanonana. Raha mikasa hanao mariage ary ianao dia atoro anao eto ireo zava-dehibe mila homanina.

Ny vola ilaina hikarakarana mariage

Miainga amin’ny enti-manana ny fanomanana rehetra atao hikarakarana ny mariage. Maro noho izany ireo mpifankatia misafidy ny manangom-bola mandritra ny volana maro vao manapa-kevitra ny hanao mariage. Misy ihany koa nefa ireo nanapa-kevitra tampoka ka ny vola eo am-pelatanany ihany no ampiasainy amin’izany. Misy etsy andaniny ireo mindram-bola amin’ny banky mba hanomanana ny lanonam-panambadiana. Rehefa fantatra ny mpanambady ny vola ho ampiasaina amin’ny mariage dia afaka atomboka amin’izay ny fanomanana. Rehefa vonona ny enti-manana hikarakarana ny mariage dia mila misafidy ny daty hanatanterahana ny fanambadiana ny mpifankatia.

Mamantatra ny isan’ny olona hasaina

Samy mamantatra ny isan’ny olona hasaina ny andaniny sy ny ankilany amin’ny mpanambady. Ilaina dinihina hatrany ny vola hampiasaina amin’ny lanonana mba ahafahana mandanjalanja ny isan’ny olona ho antsoina hanotrona izany. Raha kelikely ny enti-manana dia ireo fianakaviana akaiky no antsoina na maka solon-tena isan-dreniny. Toy izany ihany koa ny namana. Ezahina mba ho ireo akaiky indrindra no asaina.

Mitady ary mamandrika ny toerana hanaovana ny lanonana

Anisan’ny fandaniana mivesatra indrindra amin’ny fikarakarana mariage ny hofan’ny trano hanaovana ny lanonana. Efa maro tokoa ireo safidy eto Antananarivo ho an’ireo mikasa hampiditra ny lanonana amin’ireny « espace » ireny. Tsara foana raha fandrihana aloha ny toerana nosafidiana mba tsy ho diso fanantenana rehefa tonga ny andro malaza. Raha kelikely ny enti-manana dia efa maro ihany koa ireo efin-trano lehibe samihafa, toy ny sekoly, mandray lanonam-panambadiana amin’ny hofany mirary.

Manomana ny akanjo hanaovan’ny mpanambady

Mila homanina aloha ny akanjon’ny mpanambady mba hialana amin’ny fikoropahana rehefa akaiky ny fotoana. Raha misafidy ny hampanjaitra dia tsara raha manantona mpanjaitra eo amin’ny 3 volana mialoha farafahakeliny. Tsara ihany koa raha aroso herinandro mialoha ny fotoana lazaina amin’ny mpanjaitra hahavitana ny akanjo mba hialana amin’ny fahatarana. Raha mikasa ny hividy akanjo efa vita dia tsara foana ihany koa ny mijery izany iray volana mialoha mba hahafahana misafidy tsara.

Manantona mpanao sakafo (traiteur)

Zava-dehibe amin’ny lanonam-panambadiana ny sakafo haroso amin’ny mpanotrona. Mila misafidy tsara ny mpanao sakafo (traiteur) hanankinana izany noho izany ny mpanambady. Tsara raha mampitaha traiteurs maromaro vao misafidy. Raha azo atao dia manantona izay efa nahafa-po tamin’ny lanonana efa naleha no safidiana. Raha toa ka tsy ampy ny enti-manana dia azo atao tsara ihany koa ny tsy maka traiteur fa ny fianakaviana ihany no mahandro. Mila fandrindrana matotra sy maty paika tsara kosa nefa izany mba hialana amin’ny gaboraraka eo amin’ny fikarakarana.

Mitady mpanentana sy mpampihaingo trano

Mila jerena mialoha ihany koa ny mikasika ny zava-maneno ampiasaina mandritra ny lanonam-panambadiana. Efa maro ankehitriny ny safidy ary misy sahaza ny enti-manan’ny mpanambady rehetra. Na haka orchestre na DJ na mpihira malaza dia tsara foana raha fandrihana mialoha ny mpanentana safidiana mba hialana amin’ny fahadisoam-panantenana.

Lire la suite

Articles Similaires