• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Elle
Image
Sexualité & Mariage

Cunni : Tian'ny vehivavy rehetra ve ?

16/08/2023 05:53 © Moov.Mg

Filalaovana taovam-pananahana amin'ny vava/ lela no amatirana ny "cunnilingus". Ny lehilahy no manatanteraka azy io mba hanaitaitra na hampahazo fahafinaretana tanteraka ny vehivavy. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe tena ankafizin'ny vehivavy rehetra tokoa ve izany ?

Fampihantana ny vehivavy

Tsy ny lehilahy rehetra no te hanatanteraka ny "cunnilingus". Raha manao izany nefa izy dia azo lazaina fa mari-pitiavana izany. Ny atao amin'izany dia manome fahafinaretana amin'ny alalan'ny vava/lela ny faritry ny fivaviana. Misy moa ireo sady mampiasa tanana mba hampiakatra kokoa ny fahafinaretana.Tsy adino ny filalaovana nono sy ny safosafo isan-karazany. Matetika ny "cunnilingus" dia anisan'ireo "préliminaires", izany hoe fanaitairana mialoha ny firaisana ara-nofo. Misy kosa nefa ireo karazana vehivavy izay tonga amin'ny fahafinaretana fara-tampony, dia ireo izay mankafy fotsiny na dia tsy misy fidiran'ny filahiana aza.
Tsy voatery ny vehivavy rehetra no mankafy izany. Misy ireo menatra tsotr'izao, ao ihany koa ireo matahotra. Tsy ho fantatry ny lehilahy nefa raha mety ho tian'ny vadiny na ny olon-tiany izany raha tsy andramana, raha manaiky ilay vehivavy. Ilain'ny lehilahy ny mihaino tsara sy miezaka mamantatra raha ankasitrahan'ilay vehivavy ny hetsika ataony. Raha toa ka tsy mampakatra ny filàna ara-nofo ny cunni atao, azo adika izany fa tsy mankafy ilay vehivavy.
Ny vehivavy tena mankafy ny "cunnilingus" dia tsy tompon'ny tenany avy hatrany raha vao manomboka izany, sady mitaky firaisana ara-nofo maharitra sy "maditra" kokoa.

Fanajana ny fahadiovana

Anisan'ny fepetra iray anaovana ny "cunnilingus" ny fahadiovana. Matetika ireo mpifankatia na mpivady mankafy azy ity dia efa midio tsara mialoha ny zavatra rehetra. Mampalaina ny lehilahy mantsy raha toa ka misy volovolo na fofona ny fivaviana. Sarotra araka izany ny hanatanteraka cunni amin'ny vehivavy tsy mahazatra. Mba siorohana ny aretina isan-karazany, tsy azo atao ny "cunnilingus" rehefa tonga fotoana ny vehivavy. Toy izany ihany koa rehefa misy "perte" mampiahiahy : misy loko na misy fofona. Olona salama tsara (indrindra ara-pananahana) no azo atao cunni.
Tsara ny manamarika fa matetika dia voatrokan'ny vavan'ny lehilahy ilay hamandoana mivoaka amin'ny fivaviana, izay manamora ny fitsofohan'ny filahiana. Noho izany indrindra, rehefa vita ny cunnilingus dia mety hila "lubrifiant" kely izay vao miroso amin'ny firaisana ara-nofo. Na dia mankafy aza ny vehivavy, tsy atao maharitra loatra ny cunni. Ampy tsara iatrehana firaisana ara-nofo mahafinaritra ny cunni eo ho eo amin'ny 15 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires