• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Slate
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady tsy maniry ny hiteraka : inona no mety ho antony ?

11/08/2023 15:33 © Moov.Mg

Mihamaro ankehitriny ireo mpivady any ivelany no tsy maniry ny hiteraka. Safidy tokoa ny azy ireny fa tsy hoe tsy mety mahazo zaza. Fa inona tokoa no antony mahatonga ireny mpivady ireny tsy manam-paniriana ny hanan-janaka ?

Matahotra ny ho very fahalalahana ny mpivady tsy maniry hiteraka

Araka ny fanadihadiana natao tany ivelany tamin’ireo mpivady tsy maniry hiteraka dia ny tahotra ny ho very fahalalahana no antony voalohany mahatonga azy ireny manao izany safidy izany. Miteraka adidy sy andraikitra maro hoy izy ireo ny fananan-janaka. Mitaky fotoana sy fikarakarana ny fitaizana zaza ka tsy hanana fotoana hanaovana izay zavatra tiany intsony izy ireo, toy ny mandeha voyage, mivoaka miaraka amin’ny namana isak’izay tiana…

Maniry ny hifantoka tanteraka amin’ny asa

Maro ihany koa ireo mpivady tsy maniry ny hiteraka nohon’ny antony ara-kasa. Manana tanjona ambony tiany ho tratrarina izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa ka raisiny ho sakana mety hanembatsembana izany ny fananana zanaka. Ireo vehivavy no tena voakasik’izany. Matahotra ny hanapaka ny asa izy ireny rehefa hiteraka sy hitaiza ny zanany ka hanimba ny « carrière professionnelle » izany. Ny ankamaroan’ireo vehivavy manana izany fomba fieritreretana izany moa dia ireo nikikitra mafy tamin’ny fianarana sy maniry ho tonga amin’ny avo indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa.

Tsy te hiaina tebiteby sy rarin-tsaina ateraky ny fitaizana

Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny mpivady tsy maniry hiteraka ny tahotry ny haiaina anaty tebiteby sy rarin-tsaina ateraky ny fitaizana. Mandalo toe-javatra maro tokoa ny ray aman-dreny ao anatin’izany fitaizana izany, toy ny zaza marary, tsy mazoto omana, mandalo ny crise des deux ans… Etsy andaniny dia misy ihany koa ny tahotry ny rarin-tsaina ateraky ny mety tsy fahampiana amin’ny famelomana na ny fampitaovana ny zaza amin’ny fiainana andavanandro. Ankoatra izay moa dia maro ireo vahiny no mahatsiaro fa efa mihasimba ny tontolo iainana ary miharatsy ny fiainana eto an-tany ka matahotra izy ireo sao hijaly ny zaza aterany.

Lire la suite

Articles Similaires