• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Parisien
Image
Sexualité & Mariage

Fialantsasatra : tsy voatery mandeha vacances vao afaka mampifaly ny ankizy

11/08/2023 09:14 © Moov.Mg

Maro ireo ray aman-dreny no mikikitra miasa mitady vola mba hitondrana ny zanany mandeha vacances. Tsy tokony atao mampiferotr’aina nefa raha toa ka tsy ampy ny am-pelatanana satria tsy voatery mandeha vacances vao afaka mampifaly ny ankizy mandritra ny fialantsasatra. Maro tokoa ny zavatra azo atao mampiala voly ny ankizy.

Mampifaly ny ankizy ny fandehanana mitsangatsangana rehefa faran’ny herinandro

Tsy voatery mandeha vacances any amin’ny morontsiraka vao afaka mampifaly ny ankizy mandritra ny fialan-tsasatra. Raha tsy ampy vola na tsy ampy fotoana ny ray aman-dreny dia efa faly ny kilonga rehefa entina mitsangatsangana maka rivotra rehefa faran’ny herinandro. Maro ireo toerana azo andehanana raha ny eto Antananarivo manokana. Afaka mandeha amin’ireny « parcs de loisirs » ireny raha misimisy ny enti-manana. Raha somary kelikely ny vola dia mety ihany koa mandeha amin’ny toerana fitsangatsanganana ankalamanjana na amoron-drano. Ho an’ireo tsy te handeha lavitra dia misy ireo toerana filalaovana toy ny eny Ambohijatovo, Marais Masay…

Ividianana kilalao mahavariana azy mandritra ny fialantsasatra ny ankizy

Mora ampifaliana ny ankizy amin’ny ankapobeny. Anjarantsika ray aman-dreny no miezaka mitady izay fomba hampiala voly azy ireny arakaraky ny enti-manana. Anisan’ny fomba mampifaly ny ankizy mandritra ny fialantsasatra ny fahazoana kilalao vaovao. Tsy voatery kilalao lafo be ihany koa ny vidiana. Raha maro an-trano dia ireny kilalao afaka lalaovina miaraka ireny no vidiana, toy ny Monopoly, Milles bornes, Loto… Tsara ihany koa raha manokana fotoana kely tsindraidray isika ray aman-dreny mba hiarana milalao amin’ny zanantsika. Fantaro fa mbola faly kokoa izy ireny rehefa miaraka milalao amin’i Dada sy Neny.

Lire la suite

Articles Similaires