• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Affaires De Gars
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady : antoky ny fahafinaretana eo am-pandriana ny « préliminaires »

10/08/2023 09:56 © Moov.Mg

Oroka, safosafo, bitsibitsika eo amin’ny hatoka… maro ireo fomba sy fihetsika manaitaitra azo atao alohan’ny firaisana ara-nofo, antsoina ihany koa hoe « préliminaires ». Tsy fandaniana andro izy ireny fa antoky ny fahafinaretana eo am-pandriana ho an’ny mpivady. ‘Ndeha anie ho resahina e !

Mampiakatra ny fientanentanana eo amin’ny vehivavy ny préliminaires

Fomba iray mampitombo ny fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady ny « préliminaires ». Raha eo amin’ny lafiny ara-toe-batana manokana dia mampiakatra ny fientanentanana (excitation) eo amin’ny roa tonta ny fanaovana azy ireny rehefa alohan’ny hiray. Eo amin’ny lafiny ara-tsaina kosa dia mampifandray azy ireo amin’ny fifampizarana fahafinaretena lalina izany. Ankoatra ny oroka sy ny safosafo dia maro ireo fihetsika azon’ny mpivady atao mandritra ny préliminaires mba hampiakatra sy hampaharitra ny fientanetanana eo amin’ny roa tonta.

Manomana ny vatan’ny vehivavy ho amin’ny firaisana ny préliminaires

Mila fotoana elaela kokoa ny vehivavy vao mahatsapa faniriana hiray ara-nofo raha mitaha amin’ny lehilahy. Zavatra voajanahary izany ary tsy tokony misy hampitaitaina. Izany indrindra no ilain’ny vehivavy ny préliminaires mba hanomanana ny vatany sy ny sainy alohan’ny hiraisany amin’ny vadiny. Arakaraky ny maha tsara sy maha ela ny safosafo, bitsibitsika ary ny oroka amin’ny olontiany no mampiakatra ny hafanana ao aminy. Rehefa vonona tsara ny vatany dia mora mahazo fafinaretana ny vehivavy. Raha tsy vonona tokoa mantsy dia mety hahatsiaro marary sy tsy mahazo aina izy mandritra ny firaisana.

Mampitombo ny firaisam-po sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpivady

Singa iray manamafy ny fifankatiavana eo amin’ny mpivady ny fananana firaisan-tsaina ary indrindra ny firaisam-po. Mba ahatongavana amin’izany dia mila fifankafantatra amin’ny lafiny rehetra ny mpivady mba ahafahany mifampizara fitiavana sy fahafinaretana. Mandritra ny préliminaires ny mpivady no mifanakaiky indrindra ary mikatsaka izay hahasambatra ny iray eo am-pandriana. Samy miezaka ny andaniny sy ny ankilany manome fahafaham-po ny iray mba hampatsiro ny fiarahana. Mazava ho azy fa mampitombo ny firaisam-po ny fahafinaretana nifanomezana, indrindra nandritra ny préliminaires.

Lire la suite

Articles Similaires