Mpivady : mety mampidina ny filàna ara-nofo ny ririnina
Maro no mieritreritra fa tia mifampizara hafanana ny mpivady rehefa mangatsiaka ny andro ka mazoto miray ara-nofo kokoa rehefa ririnina. Matetika nefa dia ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Fa inona no antony mampihena ny filàna ara-nofo rehefa ririnina ary ahoana no atao hiadina amin’izany ?
Nahoana no mihena ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady rehefa ririnina ?
Tsy vitsy ireo mpivady no mandalo izany fahalainana manao firaisana ara-nofo izany rehefa vaninandro ririnina toy izao. Mety mahatsapa izany tsy fahazotoana hiray izany avokoa na ny lahy na ny vavy na koa ny roa tonta. Tsy tokony hampiasa saina loatra noho izany ny fandalovana amin’izany toe-javatra izany. Tsy tokony hieritreritra ihany koa hoe mihena ny fitiavan’ny vady raha tsy mazoto hiray izy amin’izany vanim-potoana izany.
Misy fiantraikany amin’ny filàna ara-nofo tokoa ny ririnina. Rehefa vaninandro ririnina toy izao tokoa mantsy dia somary manjombona maizimaizina ny andro. Izany dia mahatonga ny olona sasany hahatsiaro tena kivikivy, malahelohelo, reradreraka ka manjary toa malaina hietsiketsika ny vatana.
Etsy andaniny dia tsara ny mampatsiahy fa miainga avy amin’ny faniriana ny filàna ara-nofo. Mety hampihena ny fahazotoana hanao firaisana ara-nofo ihany koa noho izany ny hatsiaka. Ny vehivavy tsy mazoto hanao akanjo manaitaitra, ao ihany koa ny fisian’ny aretina vokatry ny hatsiaka toy ny sery sy ny gripa izay mampihena ny hery…
Ahoana no atao hampitomboana ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady rehefa ririnina
Mazava ho azy fa mandalo ihany izany fihenan’ny filàna ara-nofo eo amin’ny mpivady rehefa ririnina izany. Miverina amin’ny laoniny ihany ny fazotoana hiray amin’ny vady rehefa misinda ny hatsiaka ary miverina ny vaninandro mafana. Ho an’ireo tsy te hiandry izany fotoana izany dia ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hiadiana amin’ny fihenan’ny filàna ara-nofo mandritra ny ririnina :
Mila miala voly ny saina mba hisorohana ilay kivikivy sy malahelohelo rehefa manjombona iny ny andro. Manao izay zavatra mahafinaritra ny tena, toy ny hoe mivoaka miara-misakafo any ivelany ny mpivady, miaraka miala voly amin’ny namana…
Ampiasaina ny « imagination » hitadiavana fomba mampientanentana sy hanaitairana ny filàn’ny vady. Mety izany amin’ny alalan’ny teny, amin’ny alalan’ny fihetsika, amin’ny alalan’ny filalaovana « personnage »… Atao malalaka tsara ny saina mba hahita zavatra vaovao hampafana sy hampatsiro ny fiarahana.
Mampiasa lamba firakotra matevina tsara rehefa amin’ny alina mba ahafahan’ny vehivavy manao fitafy maivana sy mianjakanjaka manaitaitra ny vadiny. Mifamihana tsara ihany koa rehefa ao anatin’izany lamba izany mba hahatonga ny vatana hamokatra « ocytocine », antsoina ihany koa hoe « hormone de l’amour ».