• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Sexualité & Mariage

Vehivavy avy niteraka : Hitaiza zaza ao an-trano sa hiverina hiasa ?

03/08/2023 09:22 © Moov.Mg

Tokony hijanona hitaiza zaza ao an-trano ve sa hiverina hiasa ny vehivavy avy niteraka ? Tsy mora tokoa ny safidy ary samy manana ny heviny ny tsirairay. Mba hanampiana ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra dia ndeha ho resahina ny lafy tsara sy lafy ratsin’ireo roa ireo.

Mety kokoa ve ho an’ny vehivavy avy niteraka ny mitaiza zaza ao an-trano ?

Matetika rehefa misafidy ny hitaiza zaza ao an-trano ny vehivavy avy niteraka dia mifantoka tanteraka amin’ny fitaizana ny zaza sy ny fikarakarana ny ankohonana. Maro ireo lafy tsara entin’izany :
-Voakarakara tsara ny zaza, na eo amin’ny lafiny ara-tsakafo, ara-pahasalamana, ara-pivoarana eo amin’ny fitomboana… ;
-Voahara-maso ny fandaminana ny trano, indrindra raha misy mpanampy an-trano ;
-Manana fotoana hikarakarana ny ankohonana satria tsy misy intsony ny rotoroto ateraky ny fandehanana mamonjy toeram-piasana ;
-Tsy misy intsony ny rarin-tsaina vokatry ny asa endrasan’ny mpampiasa na ny orinasa...

Raha maro ireo lafy tsara entin’ny fijanonana ao an-trano mitaiza zaza dia misy ihany koa ety andaniny ireo lafy ratsiny mila fantarana :
-Matetika tsy misy fotoana hikarakarana vatana sy hangalana aina satria rehefa tsy mitaiza zaza dia manenjika ny raharaha ao an-tokantrano, indrindra raha tsy misy mpanampy ;
-Miasa be mihoatra ny adiny 8 anatin’ny iray andro nefa tsy voatery mahazo sitraka amin’izany ary tsy mandray karama toy ny asa rehetra ;
-Mahatsiaro tena ho irery satria tsy misy olon-dehibe hafa hiresahana toy ny any am-piasana ;
-Mihena ny vola miditra ao an-tokantrano satria ny raim-pianakaviana ihany no miasa...

Misy ireo fomba azo atao mba hisorohana ireo lafy ratsin’ny fijanona mitaizana zaza ao an-trano ireo, toy ny fangalana mpanampy an-trano, fanaovana asa tena tsy mitaky fotoana be loatra, fangalana fotoana hialana voly miaraka amin’ny olona lehibe toy ny vady, ny rahavavy, ny namana.

Mahazo tombony kokoa ve izany ny vehivavy avy niteraka misafidy ny hiverina hiasa ?

Maro tokoa ankehitriny ny vehivavy avy niteraka misafidy ny miverina miasa. Mety nohon’ny tsy fidiny izany ho an’ny sasany fa mety ho safidy ihany koa ho an’ny hafa. Anisan’ireo tombontsoa azon’ny vehivavy avy niteraka miverina miasa ny :
-Fahafahana mampidi-bola hanampiana ny famelomana ny ankohonana sy ahafahana mividy ireo kojakoja ilain’ny zaza ;
-Mahazo sitraka sy karama amin’ny asa natao nandritra ny tontolo andro ;
-Afaka mifanerasera amin’ny olona hafa ka mahatsiaro ho misokatra ny saina ;
-Mahavita mikarakara vatana satria mandeha mivoaka miasa isan’andro ;
-Manana fahafahana ara-bola hanakaramana mpitaiza na mampiditra ny zaza any amin’ny crèche...

Maro tokoa ireo tombontsoa azon’ny vehivavy avy niteraka misafidy ny hiverina hiasa. Fa inona kosa ary ireo lafy ratsiny aterak’izany ?
-Tsy afaka mifantoka tanteraka amin’ny fitaizana sy ny fikarakana ny zaza ka manjary mitebiteby lava raha marary, tsy mitombo tsara… ny zaza ;
-Sahirana ary voatery manapaka ny asa raha sendra tsy misy mitaiza na marary ny zaza ka lasa miteraka rarin-tsaina amin’ny lafiny ara-kasa izany ;
-Tsy mahita ny fitombon’ny zaza sy ny fivoarana ataony amin’ny andavanandro...

Misy ihany koa ireo vahaolana mety manampy ireo vehivavy avy niteraka misafidy ny hiverina hiasa toy ny fametrahana ny zaza amin’ny crèche azo antoka sy tsy lavitry ny toeram-piasana. Azo antoka kokoa ny fanaraha-maso ny zaza ary afaka manantona ny zany ny reny rehefa atoandro. Misy ihany koa ireo manankina ny zazakely amin’ny renibeny mba ho voahara-maso tsara ny zaza sy ny mpitaiza azy.

Lire la suite

Articles Similaires