• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femmes References
Image
Sexualité & Mariage

Vehivavy avy niteraka : Tsy afaka sa tsy mazoto hiray ara-nofo ?

25/07/2023 06:12 © Moov.Mg

Fahasoavan-dehibe eo amin'ny mpivady ny fahazoana Zazakely. Eo indrindra no maha-solafaka raim-pianakaviana maro. Raha namporisihina fatratra mantsy ny firaisana ara-nofo hahamora ny fiterahana, mety hahatratra hatramin'ny 6 volana ny tsy fahafahan'ny vehivavy manome fahafam-po ny vadiny aorian'ny fiterahana.

Fiandrasana ny fahasitranan'ny ratra anaty

Tsy fanahy iniana ny tsy aneken'ny vehivavy miray ara-nofo aorian'ny fiterahana. Maratra mantsy ny taovam-pananahana izay nivoahan'ny zaza. Tsy vitsy ireo vehivavy notatahana sy nozairina nentina nanamorana ny fiterahana. Misy ihany koa ny ra mandeha mandritra ny herinandro vitsivitsy na maromaro. Andrasana hitsahatra izany ra izany vao afaka nieritreritra firaisana ara-nofo indray ny vehivavy. Eo ho eo amin'ny 3 volana no "pause" tsy maintsy ataon'ireo avy niteraka.
Ireto avy ny teboka tsara fantatra :
-Arakaraka ny toe-batan'ny vehivavy ny fijanonan'ny ra ;
Tsara mieritreritra fomba fanabeazana aizana ny mpivady satria mafana ny tranonjaza ka mety hahabevohoka avy hatrany raha vao misy firaisana ara-nofo tsy voaaro ;
-Mety hampihitatra ny fery na hahatonga infection ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra, ohatra hoe iray volana aorian'ny fiterahana ;
-Marary ho an'ny ankabeazan'ny vehivavy ny firaisana ara-nofo voalohany aorian'ny fiterahana.
Tsara raha vonona tsara na ny vatana na ny sain'ny vehivavy avy niteraka vao miverina miray ara-nofo amin'ny vadiny indray. Tsy azo adino fa mety hihena na ny tanjaka na ny faharetan'ny fahafinaretana noho ny fiovan'ny vatana sy ny harerahana amin'ny fitaizana.
_Marihana fa mety misy tranga ara-pahasalamana tsy ahafahan'ny vehivavy miverina amin'ny firaisana ara-nofo mandritra ny fotoana ela kokoa. Anisan'ny sakana ohatra ny fisian'ny "infections" na tsy fahatombanana aorian'ny fiterahana. Raha misy tranga mampiahiahy dia tsy azo atao ny mandrimandry manana aretina, fa aleo manantona mpitsabo avy hatrany. _

Fandraisana an-tanana ny fiainana ara-pananahan'ny mpivady

Tsy mora amin'ny lehilahy maro ny tsy miray ara-nofo mandritra ny volana vitsivitsy na maromaro. Eo indrindra no tena ahalalana ny fifamatorana misy eo amin'ny mpivady. Ny fifampiresahana no tena ilaina amin'izany. Tsy vitsy ihany koa ireo fifanomezana fahafinaretana na tsy afaka miray ara-nofo ara-bakiteny aza. Azon'ny vehivavy atao amin'ny vadiny ohatra ny "fellation" raha mety amin'ny roa tonta izany.
Rehefa tonga kosa ny fotoana iverenana miray ara-nofo, miverina mifankafantatra indray ny mpivady. Tsy voatery hitovy amin'ny teo aloha mantsy ny ahazoan'ny vehivavy fahafinaretana. Tsy vitsy ireo lehilahy no mety hiteny hoe "lasa malalaka" ilay vehivavy, saingy tsy tsikaritra izany rehefa tena samy ao anaty fahafinaretana ny roa tonta. Tsy vitsy ihany koa ireo vehivavy no efa mahay ny "exercices du périnée" na "rééducation périnéale" ahafahany indray "miketoka" ny filahiana rehefa miray ara-nofo.
Tsy azo lavina fa mampihena ny "activités sexuelles" eo amin'ny mpivady ny fisian'ny Zazakely, saingy azo atao tsara ny mandamina ny zava-drehetra. Tsy adino ny fakan'aina indray mandeha isam-bolana farafaharatsiny. Apetraka any amin'ireo ray aman-dreny lehibe ohatra ny Zaza ka maka tontolo andro manokana ifampizarana fitiavana sy fahafinaretana ny mpivady.

Lire la suite

Articles Similaires