• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Course Thématiques
Image
Sexualité & Mariage

Boisson aphrodisiaque : Zava-pisotro natoraly manaitaitra !

24/07/2023 08:15 © Moov.Mg

Harerahana, adin-tsaina, andro mangatsiaka : anisan'ny antony mampihena ny filàna ara-nofo avokoa ireo. Tsara fadiana nefa ny fandraisana ireo fangaro simika isan-karazany izay mety manosika amin'ny firaisana ara-nofo, nefa misy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana avy eo. Atoro anao kosa ireo karazana rano fisotro azo avy amin'ny fangaro.

Cocktail mananasy sy sakamalaho

Tsy vitsy ireo lehilahy manana fahasarotana amin'izao ririnina mamirifiry izao. Azo atao tsara nefa ny mampihatra fomba tsotra izay mety hanaitaitra sy hampaharitra amin'ny firaisana ara-nofo. Andramo ny fangaro azo avy amin'ny mananasy sy sakamalaho. Efa iazaha-mahalala moa fa ny sakamalaho dia "stimulant sexuel", ary ny mananasy dia misy "Vitamine C" ahazoana hery sy faharisihana.
Zavatra ilaina : _
-Mananasy voatetika 100 G
-Sakamalaho lehibebe iray
-Rano 300 ml
-Siramamy 50 g
Voasary makirana iray sotrokely
_Fikarakarana :

Afangaro ao anaty "mixeur" ny mananasy sy ny sakamalaho. Rehefa potika tsara dia tsihifina ny ranony. Atao anaty vera ka arotsaka ao ny rano, ny siramamy ary ny voasary makirana. Tsara raha sotroina eo no ho eo rehefa vita. Raha tsy tiana ny tsirony dia azo ampiana tantely kely.

Cocktail cacao, paoma sy frezy

Ny cacao dia anisan'ny fangaro manaitaitra ny filàna ara-nofo. Tsy vitsy ireo lehilahy efa zatra misotro "chocolat chaud" isan'andro. Amin'ity indray mitoraka ity kosa, afangaro amin'ny voankazo izy mba ahazoana "boisson aphrodisiaque".
Avy hatrany dia afangaro ao anaty "mixeur" ireto akora ireto :
-Cacao 50 g
-Paoma voatetika 100 g
-Frezy 100 g
-Tantely roa sotrokely
-Voasary makirana iray sotrokely
-Rano roa vera
Azo atao ny misotro izany cocktail izany ny maraina sy ny hariva. Mba isorohana ny aretin'aty, asaina ianao hisotro rano maherin'ny 1,5 litatra isan'andro.

Milk shake chocolaté

Eto dia mbola "boisson aphrodisiaque" azo avy amin'ny cacao ihany no atolotra. Izy ity indray dia misy ronono, ka mitovitovy amin'ny "milk shake" na ny endriny na ny tsirony. Mety tsara amin'izao andro mangatsiaka izao izy ity satria sotroina mafana. Tsy mila "mixeur" ny fikarakarana azy.
_Zavatra ilaina : _
-Ronono iray kaopy lehibe
-Cacao 50 g
-Rano 50 ml (afaka tsy asiana)
-Tantely iray sotrokely
-Lavanila ranony 5 ml
-Sakamalaho vovony iray tsongo
_Fikarakarana : _
Ampangotrahina ny ronono. Esorina avy eo ka araraka anaty kaopy lehibe. Arotsaka ny cacao sy ireo singa hafa rehetra. Mba hampandaitra azy kokoa, azo atao tsara ny manampy "rhum" na "tequila", eo ho eo amin'ny iray sotro lehibe.

Inona kosa ireo sakafo tena fadiana ?

Na dia manao izay fomba rehetra mety hanaitaitra aza, mety tsy hahomby izany raha mihinana sakafo tsy mahasoa. Anisan'izany ny alikaola sy ny siramamy artifisialy. Tsy tokony hohanin'ny lehilahy ihany koa ny "menthe".

Lire la suite

Articles Similaires