• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © The Guardian Nigeria
Image
Sexualité & Mariage

Masturbation : Misy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana ve ?

19/07/2023 06:06 © Moov.Mg

Fanomezana fahafinaretana ny tena na masturbation : mahakasika ny sokajin-taona rehetra izy io, na lahy na vavy. Matetika nefa, ny lehilahy no tena voakasika. Tsy vitsy aza ireo adolantsento dia efa miroso amin'izany. Tsara nefa ny mahafantatra raha mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana izany.

Inona no mahatonga ny olona hiroso amin'ny masturbation ?

Ara-boajanahary amin'ny olombelona tsirairay ny filan'ny nofo. Manomboka eo amin'ny taonan'ny adolantsento no itadiavana fahafinaretana. Izany indrindra no manosika ny maro hanandrana ny masturbation, na dia toa mahamenatra aza ny miresaka izany eny anivon'ny fiaraha-monina.

Andrakandrana

Raha ho an'ny zazalahy manokana, manomboka eo ho eo amin'ny 13 taona no liana amin'ny masturbation izy ireo. Rehefa adolantsento mantsy dia miha-tsapa ny filana ara-nofo, ary matetika dia mihenjana ho azy ny filahiana rehefa amin'ny alina. Tsy tokony hahagaga araka izany ny mahita zazalahy manandrana manome fahafam-po ho an'ny tenany. Ho an'ny vehivavy kosa, tsy azo atao ny masturbation raha mbola virijiny. Rehefa efa manana fiainana ara-nofo kosa nefa ny vehivavy, matetika dia liana amin'ny karazana sextoys izy ireo anatanterahana ny masturbation.

Fandrevirevena

Rehefa tovolahy indray, any ho any amin'ny faha-18 taona, heverina fa filana vehivavy iray na maromaro no antony anaovana masturbation. Mandefa eritreritra lavitra mikasika izay mety ho fahafinaretana raha miray ara-nofo ilay tovolahy. Misy kosa nefa ireo mijery film X mihitsy mba hampakatra ny filàny. Matetika moa dia mihena ny fanaovana masturbation rehefa manana "vie sexuelle", izany hoe manana olon-tiana na manambady, ny lehilahy iray.

Tsy fahampian'ny firaisana ara-nofo

Koa satria manana filàna foana ny olombelona, tsy vitsy ireo miroso amin'ny masturbation amin'ny fotoana tsy ananany firaisana ara-nofo : fisarahana amin'ny olon-tiana, fandehanana lavitra ny vady, sns. Misy kosa nefa ireo manampy ny fahafinaretany rehefa tsy afa-po tsara tamin'ny firaisana ara-nofo.
Tsy azo adino fa misy ireo olona voadona ara-pitiavana no tsy te hiaraka amin'olona hafa intsony. Mifady ny "contact physique" izy ireo ka misafidy ny hanome fahafinaretana ny tenany ihany.

Inona avy ireo voka-dratsin'ny masturbation ?

Tsy vitsy ireo milaza fa ahafahana mamantatra ny tena ny fanaovana masturbation. Mety hanampy amin'ny fangalana sy fizarana fahafinaretana izany. Misy kosa nefa ireo voka-dratsy tsy azo amaivanina.

Faharatrana

Mety handratra ny masturbation, indrindra ho an'ny vehivavy. Fadiana ny mikitika any anatin'ny taovam-pananahana raha lava ny hoho. Ho an'ireo lehilahy indray, azo lazaina fa ratra madinidinika no mety hitranga. Tsy vitsy ihany koa ireo tovolahy na lehilahy izay efa nanana olana teo amin'ny hoditry ny filahiana noho ny tsy fifidianana ireo karazana savony ampiasaina. Misy mantsy ireo mampiasa "shampoing" na "gel douche" somary mahery ka mety hanamasaka ny filahiana.

Fiankinan-doha

Tahaka ny zava-mahadomelina ny filàna ara-nofo. Rehefa tsy hay ny mifehy azy dia manimba ny fisainana sy ny fiainana mihitsy aza. Raha lasa miankin-doha amin'ny masturbation ny olona iray dia mety hihena ny fifantohany amin'ny fianarana sy ny asa. Raha tafahoatra loatra ihany koa ny fanaovany izany dia miafara amin'ny olana ara-pahasalamana toy ny faharerahana. Na dia tsy resahina matetika aza, tranga tena misy na eto Madagasikara na maneran-tany ny fahafatesana noho ny masturbation tafahoatra loatra, indrindra ho an'ireo tanora vao erotrerony.
Ampahatsiahivina kosa isika ray aman-dreny hahay hiresaka sy hanabe ny zanatsika mikasika ny fananahana. Tsy vitsy ireo tovolahikely miditra ireny "Cyber-café" ireny, ka manao masturbation eo am-pijerena horonan-tsary vetaveta.

Fitokana-monina

Rehefa efa afa-po ara-nofo ny olona iray dia mety ho adinony ny tena fiainany. Ahiana ny fitokana-monina sy ny tsy fitiavana lehilahy/ vehivavy intsony. Mety ho sahirana ihany koa rehefa tena miray ara-nofo satria zatra manome fahafinaretana ny tena irery. Mety ho sarotra ihany koa ny hanome fahafinaretana ilay olona miaraka amin'ny tena.

Fahalainana miray

Rehefa zatra loatra manao masturbation ny olona iray dia mety hihena ny fahazotoany miray ara-nofo. Misy mihitsy ireo misafidy ny hanome fahafinaretana ny tenany, ka mahatratra ny tanjony, toy izay hiray amin'olona, nefa tsy afa-po. Tsy azo lavina fa misy ireo olona izay efa tsy miray amin'ny vadiny intsony no mety tafalatsaka tanteraka amin'ny masturbation, indrindra moa raha efa mangatsiaka tanteraka ilay tokantrano.

Inona no atao ialàna amin'ny masturbation ?

Tsy aretina akory ny masturbation, raha hay ny mandanjalanja azy. Ho an'ireo tanora, mety ahaizany zavatra maro mikasika ny fiainany ara-pananahana izany. Azo lazaina fa mety mampihena ny herisetra ara-nofo atao amin'ny hafa aza izany. Ny miankin-doha no tsy azo atao satria mety ho variana amin'ny fahafinaretan'ny tena fotsiny.
Raha efa miankin-doha moa ny olona iray dia tsara ny manantona psychologue ahafahana manampy azy amin'ny fialana tsikelikely amin'izany fahazaran-dratsy izany. Matetika dia ny fiarahana maharitra amin'olona iray no tena anadinoana ny masturbation. Rehefa miray ara-nofo mantsy dia mianatra mifampizara fahafinaretana fa tsy mijanona fotsiny amin'ny fikatsahana ny fahafinaretan'ny tena irery.

Lire la suite

Articles Similaires