• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Masculincom
Image
Sexualité & Mariage

Lehilahy kely/ fohy filahiana : Tena tsy tian'ny vehivavy tokoa ve ?

16/07/2023 18:25 © Moov.Mg

Anisan'ny mampiasa saina ny lehilahy maro ny halava sy ny haben'ny taovam-pananahany. Tsy vitsy ireo mahatsapa fa somary kely ny azy raha mitaha amin'ny an'ny hafa. Eo indrindra no mahatonga fanahiana isan-karazany, toy ny hoe mety "hahazaka sipa" na "hahavita hampirevy" ihany ve ...

Filahiana, taova voajanahary

Taova voajanahary ny filahiana. Tsy voatery mamaritra ny refiny ny habe sy ny halavan'ny lehilahy iray. Na dia lava sy ranjanana aza mantsy ny lehilahy iray, tsy araka ny ieritreretana azy ny filahiany. Amin'ny siantifika, manodidina ny 9 santimetatra ny filahiana rehefa tsy mihenjana ( au repos), ary mahatratra 13 santimetratra any ho any izy rehefa mihenjana.
Matetika dia sahirana tokoa ny tovolahy iray rehefa mahatsikaritra fa tsy mitovy amin'ny haben'ny an'ireo namany ny filahiany. Misy mihitsy aza ireo tsy sahy miaraka amin'ny vehivavy, ary miandry izay manaiky ho vadiny vao sahy miroso amin'ny firaisana ara-nofo. Tsy vahaolana nefa ny fanafenana ilay heverina ho "kilema" satria mety hampisy olana eo amin'ny tokantrano. Raha mikasa fiarahana maharitra, tsara kokoa aza no ahafantaran'ny vehivavy mialoha ny momba ilay lehilahy manontolo. Azo heverina fa tsy sakana velively amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo lavorary ny mety tsy fahampian'ny refin'ny filahiana.

Fanomezana fahafinaretana, azo ianarana tsara

Tsy aretina na fahasamponana ny filahiana kely/ fohy. Afaka manome fahafinaretana tsara ny vehivavy ny lehilahy na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny refin'ny filahiany. Mety hitranga ny tsy fahafam-pon'ny vehivavy, indrindra moa raha mbola tsy za-draharaha ilay lehilahy. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy ahafahana manome fahafinaretana na "tsy ampy refy" aza ny filahiana.

Fiarahana amin'ny vehivavy manam-pitiavana ny tena

Rehefa manam-pitiavana lehilahy iray ny vehivavy iray dia sarona avokoa ireo ambara fa "kilema" na tsy fahampiana rehetra. Mora kokoa ny mifanome fahafinaretana rehefa samy tia ny olon-droa. Tsy lavina fa mety ho sahirana ny lehilahy somary kely filahiana raha hiovaova vehivavy matetika.

Fisafidianana "position"

Amin'ireo "sexologue", ny "position levrette" no tsara atao raha somary kelikely ny filahiana. Rehefa avy ao aoriana mantsy ny lehilahy dia mora mahazo aina kokoa ny vehivavy. Azo andramana tsara ihany koa ny mipetraka ambony seza.

Fifantohana tsara rehefa miray ara-nofo

Tsara raha mifantoka amin'ny fahafinaretana rehefa miray ara-nofo : adinoina avokoa ireo olana mampiasa saina rehetra. Amporisihana ny fanomezan-danja ny "préliminaires". Rehefa samy miakatra ny filàn'ny andaniny sy ny ankilany dia mora kokoa ny ahatongavana any amin'ny "orgasme".

Fanaovana firaisana ara-nofo matetika

Tsy vitsy ny tovolahy no somary misitrika ny filahiana, indrindra ho an'ireo izay mbola tsy niroso tamin'ny firaisana ara-nofo. Amin'ireo siantifika, rehefa mihenjana matetika ilay taova dia mitombo kokoa.

Fihinanana sakafo manaitaitra

Fomba tsotra sady mahomby ny fihinanana sakafo "aphrodisiaque" sy mampikoriana tsara ny rà. Ampitomboy àry ny fihinanana sakamalaho, tongolobe, huitre sy zavokà. Azo atao tsara ihany koa ny misotro "chocolat chaud" isa-maraina. Amporisihina ihany koa ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana isan'andro : voankazo sy legioma. Mety hisy fiantraikany amin'ny fahatanjahana ara-pananahana ny fihinanana sakafo matsiro loatra, be "épices" sy sakay.

Fanaovana fanatanjahan-tena

Ilain'ny vatana ny fanaovana fanatanjahan-tena. Ho an'ny lehilahy, ny fahazoana hozatra amin'ny vatana dia misy fiantraikany amin'ny haben'ny filahiana. Azo atao tsara ny mikotrana ahafahana mampitombo izay faritra rehetra tiana hihalehibe eny amin'ny vatana. Raha tafahoatra ny lanja (en surpoids) dia tena ilaina ny manena vatana.

Fifadiana ireo fomba fanabeazana filahiana artifisialy

Tsy vitsy ireo olon-tsotra na mpitsabo milaza ho manam-pahaizana amin'ny fanalebeazana filahiana. Ao ireo manome fanafody na vokatra ahosotra, raha misy kosa ny mitsabo amin'ny alalan'ny otra. Mety hahomby tokoa ireny saingy ahiana hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana. Tsiahivina mantsy fa saropady ny filahiana satria miantoka ny fananahana fa tsy fanomezana fahafinaretana fotsiny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires